Socio-eco

SEMCO TECHNOLOGY: Vahaolana iadiana amin’ny taratasim-panjakana hosoka sy ny kolikoly


Ho atomboka amin’ny fanontana ny diplaoma sy ny karatry maha mpiasam-panjakana ny fiarahamiasa amin’ny fanjakana. Ny firenena japoney ihany no manana ny fitaovana fanontana ireo taratasy saro-pady tsy mety atao hosoka. Noho ny fiarahamiasa eo amin’ny SEMCO International, orinasa nahazo alalana avy amin’ny fanjakana japoney amin’ny fampiasana “image engraving technology” sy Ny Rado Security dia milina miisa enina no tonga eto Madagasikara. Mahavita manonta diplaoma 10.000 isan’andro ny milina iray, araka ny kajy tsotsotra nataon’ny Filoha Tale Jeneralin’ny  Ny Rado Group, Rafalimanana Ny Rado nandritra fampahafantarana ity teknolojia ity androany 21 oktobra 2019 teny Antaninarenina. Nambarany fa efa nanao rango-pohy tamin’ny fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny ministeran’ny asam-panjakana, ny asa ary ny lalàna sosialy  tamin’ny 2018 fa androany vao tanteraka satria efa nivoaka ny didim-pitondrana. “Kendren’ny fiarahamiasa ny ady amin’ny hosoka amin’ny resaka diplaoma ka ho atonta amin’io teknolojia io ny diplaoma, ny karatry ny mpiasam-panjakana”, hoy izy.

Araka ny fanazavan’i Arun Paniyan, solontenan’ny SEMCO fa ankoatra ny fanamboarana diplaoma, dia manonta kara-panondro, kara-tany, pasipaoro, karatra maha mpamily fiarakodia, “carte grise”… ny “ image engraving technology”. Tsy mety rovitra, tsy simban’ny rano, maharitra 100 taona, tsy azo adika ny  taratasy natonta tamin’ny alalan’ity fitaovana ity. Anisany mampiavaka azy ihany koa ny taratasy ampiasaina satria tsy misy afa-tsy ny SEMCO no manana azy ka mora fantatra raha toa ka misy manao hosoka. Ankoatra izay, dia roa ihany ny fomba hanamarinana azy ny taratasy na hosoka na tsia dia masoandro sy ny maso. Anisany hanavahana  ny hosoka amin’ny tena izy ihany koa rehefa tarafina amin’ny masoandro  ny sarin’ilay tompon’ny taratasy dia lasa miloko. “Négatif” kosa ny sary rehefa maizina. Firenena 16 no efa mampiasa ny teknolojia. Efa misy ny fitaovana hiarovana taratasim-panjakana saropady  sy hisorohana ny kolikoly. Mitaky fahavononana ara-politika anefa amin’ny fampiasana izany.

Lynda A.

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *