Socio-eco

Sekretera Jeneraly MINDEF : Manolo-tanana ny Polisy sy Zandary ny Tafika


Délire Madagascar: Amiral Rakotoarisoa Marie Jean Lucien, nankalaza taombaovao ny Tantsambo tranain’ny Tafika an-dranomasina malagasy, ary voaasa ianao. inona no azo ambara tompoko?

Vice-amiral Rakotoarisoa Marie Jean Lucien (VAMRMJL): “Amin’izao vaninandro sy vanom-potoana izao dia tena manahirana ny toetrandro sy toetsain’ny olona, kanefa mbola manana izay fahazotoana hoe ndao hivondrona mba hihaona, ifampiresaka na dia ifandom-bera fotsiny aza, dia faly ny tenako miarahaba ny mbola fitohizan’izany fanaon’ny La Marine izany; ka aleo ho lasa tarazo araka ny dikateny toavin’ny Akademia Malagasy hoe “tradition”.

Miarahaba ireo Tantsambo taloha rehetra tsy ankanavaka nahatratra ny 2018 aho. Mirary fahasalamana sy filamanan-tsaina ho an’ny fiainana mbola mitohy ankehitriny. Misaotra ireo izay mbola mitazona io tarazo io. Misaotra ny nampiantrano koa, satria raha tsy nisy izany dia teny an-tokontany ve no nanaovana azy? Midika izany fa na dia sarotra aza ny fiainana, dia mbola mijoro amin’ny firaisankina ny Tantsambo tranainy, ary manamafy izany hoe “équipage” izany ka ao anaty rà ilay hoe tsy mahavita zavatra raha tsy miaraka. Tsy afaka mitondra sambo ngezabe iny ianao irery fa mbola ao foana ilay nahazatra hoe isika dia équipage iray, ka rehefa tonga ny fotoana iray hanamafisana ny fiarahana, firaisankina, fifankatiavana, firahalahiana dia andao hatao. Dia mbola manaan izay fahazotoana izay hatramin’ny farany.”

DM: Faritana hoe nasionaly foana ny fiarovam-pirenena. Tsy fanafihana avy any ivelany ny tsy filaminana anaty (tanàn-dehibe sy ambanivohitra), hatezeram-bahoaka, fanolanana miaro habibiana, halatra taolam-paty, bois de rose. Manana adidy amin’ireny ve ny Tafika Amiral?

VAMRMJL: “Amin’ilay tena asa izay iandraiketan’ny Polisy sy Zandary dia mbola ry zareo no tompon’andraikitra voalohany, tsy miala aminy ireo ary tsy afaka aminy. Fa eo amin’ny sehatra somary mavesatra indrindra indrindra ny halatr’omby, ohatra voalohany io, dia ifanampiana ilay izy. Tsy maintsy manampy ny Miaramila satria hery velona ny Tafika. Tsy mbola misy iraka tena mavesatra tena itodihan’ny Tafika rahateo koa moa, koa dia andao hanampy ny zandarimaria sy ny polisy amin’ny fampandriam-pahalemana ny faritra sy tany rehetra manerana an’i Madagasikara.”

Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *