Socio-eco

SECES: Miantso ny Prezidan’ny Repoblika sady hamory ny mpianatra


Tsy araky ny eritreretina. Nihaona tamin’ny ministry ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny solontenan’ny SECES manerana ny Nosy  ny 19 novambra 2019. Rehefa avy nivory ny mpampianatra-mpikaroka sy ny mpikaroka-mpampianatra avy eto Antananarivo sy ny solontena avy any amin’ny faritany omaly 20 novambra 2019 dia nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety. “Raha nisy ny fiantsoana nataon’ny ministra ny tomponandraikitra mpiahy ny fianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny 19 novambra 2019 dia namaly ny antso ny solontenan’ny SECES manerana ny Nosy. Tsapa anefa fa tsy nisy ny vahaolana nahafa-po.  Niezaka naneho ny fomba fijeriny ny toe-draharaha manoloana ny vahaolana naroson’ny Praiministra Ntsay Christian ny ministera mpiahy. Hatreto noho ny tsy fahafaham-pon’ny SECES dia miantso ny Filohan’ny Repoblika ny SECES manerana ny Nosy mba handray ny solontenan’ny sendika, hamaha ny olanay, ny olan’ny ambaratonga ambony  sy ny fikarohana ara-tsiansa”, hoy ny filohan’ny SECES sampan Antananarivo, Profesora Ravelonarivo Sammy Grégoire. Nanazava ihany koa izy ny zava-nitranga nandritra fihaonana tamin’ny ministra: “nanantena izahay fa hamaly point par point araka ny fiantsoana, dia gaga izahay fa fanontaniana ny olana no nataony tao, te hitsapa fa miombom-kevitra izahay. Naneho ny heviny, ny fomba fijeriny sy ny ezaka nataony ary niteny hoe ajanony ny grevy, aoka tsy hilaza amin’ny haino aman-jery fa mety ho tandindomina taona fotsy ny anjerimanontolo”. Mampatsiahy anefa ny filohan’ny SECES Antananarivo fa arovan’ny didy aman-dalàna ny fanaovana fitakiana rehefa vita ny fifampidinihana rehetra.

Ankoatra izany, nilaza izy fa mila apetraka ny amin’ny toerana maha mendrika azy, indrindra ny ho avin’ny taranaka Malagasy ny ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Tokony ho arovana hoy izy  satria vakoka ny foibem-pikarohana. Azo hanantenana vokatra ny mpikaroka malagasy raha toa ka ilain’ny mpitondra fanjakana izany. Noho izany, amin’ny zoma 22 novambra 2019 ho avy izao dia miantso ny solontenan’ny fikambanan’ny mpianatra ara-pedagojika sy ny solontenan’ny fikambanan’ny mpianatra rejionaly sy sampana Antananarivo ny SECES hanazavany ny zava-misy. Aorian’izay, amin’ny talata 26 novambra 2019 ho avy izao, hanao hetsika lehibe ho fampahafantarana ny mpianatra rehetra mianatra eny amin’ny oniveriste  sy ireo mieritreritra ny hianatra eny ry zareo hanazavana ny zava-misy, ny olana mitranga ary ny vahaolana hiatrehana izany.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *