Socio-eco

ROTARY CLUB ANTANANARIVO MAHAMASINA : Miahy ireo mpianatra ASAMA


Notanterahana ny 17 Novambra 2020 ny fizarana ireo fitaovam-pianarana feno ho an’ny kilasy Asa Sekoly Avotra Malagasy (ASAMA)  nataon’ny Rotary Club Antananarivo Mahamasina. Kitapo iray ahitana cahier, règle,  protège,… ireo fitaovam-pianarana ireo. Andraikitry ny Rotary Club Antananarivo Mahamasina ny mikarakara ny kilasy ASAMA  fito eto Antananarivo. Miisa 175 ireo mpianatra ao amin’izany kilasy ASAMA izany, hoy ny filohany mandritra ity taona ity, Eric RAZAFINDRATANDRA. Notetezin’izy ireo ny kilasy ASAMA, toy ny eny Soavimasoandro, Ivandry, Ambohitrimanjaka, Anosipatrana, Ambolokandrina… Tsy fitaovam-pianarana ihany anefa no hiantsorohan’izy ireo fa eo ihany koa ny fampisakafoana ireo mpianatra mandritra ny taom-pianarana.  Ankoatra izay dia miantsoroka ny karaman’ny mpampianatra sy ny dokotera mizaha ara-pahasalamana ireo mpianatra izy ireo.

Marihana fa ny ASAMA dia natokana ho an’ireo mpianatra nandao ny fianarana, sy ho an’ireo ankizy kamboty sy sahirana ka manomana ny fanadinana CEPE.

Nirina R.

VIDEO :


One comment on “ROTARY CLUB ANTANANARIVO MAHAMASINA : Miahy ireo mpianatra ASAMA

  1. Pingback: ROTARY CLUB ANTANANARIVO MAHAMASINA : Miahy ireo mpianatra ASAMA - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *