politique

RMTF : Fanovana rafitra fa tsy olona


Roa taona lasa izay no nanambara ny Rodoben’ny Malagasy Tia Tanindrazana ho amin’ny fanorenana ( RMTF ) fa fitondrana jadona sy mpamono olona ny fitondrana HVM. Tsy mahagaga noho izany izao hetsi-bahoaka izao. Atao ny fanorenana ifotony ny firenena ka fanovana rafitra fa tsy olona velively. Halamina sy Harenina ny firenena mialoha ny fifidianana. Amin’ny alalan’ny rafitra tetezamiapita kosa no afahana manatanteraka izany. Manana tetikasa ho fanarenam-pirenena ny RMTF. Malagasy madio tanana vonona hanompo vahoaka no hitanatana izany tetezamiampita izany. Tsy hiditra amin’ny fitondrana tsy mikendry afatsy ny fikarakarana fifidianana anefa ny RMTF. Nomarihan’izy ireo fa tsy amin’ny alalan’ny fifidianana no afahana maka fitondrana. Fenitra demokrasia ny fifidianana. “Mahantra, noana ary nobadoina ny Malagasy”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny RMTF, Pasitera TSARAHAME Edouard. Mora noho izany ny mividy vola azy ireo ka ny be vola sy manam-pahefana ihany no mandresy. Natao varoboba ny harem-pirenena takalon’izany. Latsaka lalina ny firenena manoloana izany. Mazava ho azy fa izay lany eo, tsy hitsinjo ny tombotsoam-bahoaka na hanova izao rafitra izao. Noho izany, hanjaka hatrany ny kolikoly sy ny fivarotana tanindrazana. Manohana izao hetsi-bahoaka izao kosa anefa izy ireo.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *