Socio-eco

Rio Tinto QMM : Namatsy vola ny toby famatsian-drano fisotro madio ny tanànan’Andrakaraka


Amin’ny maha orinasa tompon’andraikitra an’i QMM, eo amin’ny lafiny fampandrosoana, ara-toekarena sy ara-tsôsialy eto amin’ny firenena dia nanapa-kevitra ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny famahàna ny iray amin’ireo fanamby lehibe indrindra misy eto Madagasikara izy. Ny tsy fahafahana misitraka rano fisotro madio. Izany indrindra no nahatonga ny orinasa namatsy vola mitentina 260.000.000 Ariary nanorenana fotodrafitrasa famatsian-drano fisotro madio ho an’ny tanànan’Andrakaraka ao amin’ny kaomina ambonivohitr’i Faradofay. Voakasik’ity famatsiam-bola ity ihany koa ny fividianana ireo kojakoja fanolo ilaina amin’ny any aoriana any. Fomba fanasivanana natoraly no entin’ity fotodrafitrasa ity mamatsy rano fisotro madio ireo paompy miisa telo izay napetraka ao amin’ity tanàna ity. Angovo azo havaozina ahitàna takelaka mpandray taratry ny masoandro miisa 24 mitondra herinaratra 7,2 Watts no mampihodina ity toby ity. Izany dia mifanindran-dalana tanteraka amin’ny fomba fijery « Fitrandrahana maharitra » izay napetraky ny orinasa. Toerana telo ao amin’ity tanàna ity no hisitraka rano fisotro madio sy hanana fiainana tsaratsara kokoa rehefa mihodina tsara izany fotodrafitrasa izany. « Ny fisitrahana rano fisotro sy ny fidiovana dia zon’olombelona takian’ny fenitra iraisam-pirenena. Izany no nahatonga an’i QMM, izay orinasa tomponandraikitra sy manome lanja ny soatoavina maha-olombelona. Nanohana ity tetikasa ity izay tena ilaina amin’ny fahasalamana sy ny hasin’ny maha-olona. Noho izany indrindra dia mankasitraka ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika rehetra sy ny mpiara-monina izahay amin’ny fahavitan’ity tetikasa ity, izay hanatsara kokoa ny fiainan’ny mpiara-monina ao amin’ny an-tanàna voakasika », hoy ny nambaran’Atoa David-Alexandre Tremblay, Talé Jeneralin’ny orinasa QMM.

Izao tetikasa izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa akaiky nisy teo amin’i QMM, ireo mpiara-miombon’antoka sy ny mpiara-monina rehetra. Ny fanamboarana ity fotodrafitrasa ity dia tontosa tao anatin’ny dimy volana ka ny orinasa ENERGIS Fort Dauphin izay mpiantok’asa anivon’i QMM misahana ny sehatry ny fitantanana ny rano no nanatanteraka izany. Ao anatin’izany fiaraha-mientana izany ihany koa no nanoloran’ny mpiara-monina iray maimaimpoana ny toerana izay iorenan’ity fotodrafitrasa ity. « Io no anjara biriky entiko hanatsaràna ny fahasalaman’ny mpiara-belona amiko. Maneho fisaorana ny orinasa QMM ny tenako noho ity tetikasa ity. Izany dia maneho ny fandraisan’ny orinasa andraikitra amin’ny mpiara-monina », hoy Atoa Miha Maurice, tompon’ilay tany.

Amin’ny ho avy, ny fahazoana rano fisotro madio sy fidiovana dia hitondra fivelarana sy fahombiazana eo amin’ny lafiny fianarana ho an’ny ankizy. Manombok’izao dia hanam-potoana bebe kokoa hifantohana amin’ny fianarana izy ireo. Efa novinavinaina ihany koa ny fanorenana fotodrafitrasa mitovy tsy misy valaka amin’ity vita ity any amin’ireo tanàna hafa. Ny ao Emanaka ohatra dia efa eo an-dalam-panorenana izany fotodrafitrasa izany ankehitriny.

Nangonin’i Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *