Socio-eco

RAKOTOBE MPAKA SARY Manankarena tahiry tsy tontan’ny ela


Manatanteraka fampisehona mivelatra etsy amin’ny CMDELAC Analakely nanomboka omaly talata 16 Aprily 2019 ka hatramin’ny sabotsy 20 Aprily 2019 momban’ny sary sy gazety voatahiriny i Rakotobe Michel, mpaka sary an-gazety fantatra amin’ny anarana hoe Rakotobe. Hita mandritra io hetsika karakarainy io ireo tahirin-tsary tamin’ny fankalazana ny 29 Martsa nanomboka tamin’ny repoblika faharoa ka hatramin’ny tapan’ny repoblika fahaefatra. Misy santionan’ny zavatra nitranga tamin’ny 29 martsa 1947 ihany koa amin’io fampiarantiana io. Ao ireo gazety maro isan-karazany. « Tsy mora ny mitahiry antontan-kevitra na sary izany na gazety an-tsoratra kanefa rehefa eo ny finiavana dia mitady ny hevitra rehetra hanaovana izany ».

Tanjona ny hampafantarana ny Malagasy rehetra ny fomba fankalazana ny 29 martsa izany sy ny fivoarany nandritra ireo taona nifandimby. « Nandany vola mihitsy aho nividianana ireo gazety ireo teny amin’ny fivarotam-boky Ambohijatovo satria tsy tiako ho lasan’ny vahiny ny fananan’ny Malagasy.

Antsika ireo ka tokony isika ihany no mitahiry azy », hoy ity paka sary an-gazety ao amin’ny tia tanindrazana ity. Santionany amin’ireo tahirin-kevitra ananany ihany anefa ireo am-pirantina ireo fa efa manodidina ny 500 ireo tahirin-kevitra ananany ankoatra ireo « pelicule ». 13 taona izy no efa nanomboka tia naka sary ka ireo mpiara-mianatra aminy no nalainy sary.

Ny taona 1980 kosa izy no nanomboka naka sary an-gazety, toy ny gazety Midi, Gazetiko, Tribune, Vaovaontsika. Efa nampiasa ireo fakantsary rehetra nisy hatrizay izy, teo ny fankatsary « plastique, 12 pause », fankatsary « demi format », 36 pause lasa 72 pause ny taona 1991 izay nazahoany tahirin-tsary betsaka. « Faniriko ny ahazo fitaovana raitra misy ankehitriny fa saingy ny fahefana mividy no olana ».

Nirina R.


One comment on “RAKOTOBE MPAKA SARY Manankarena tahiry tsy tontan’ny ela

  1. Pingback: RAKOTOBE MPAKA SARY Manankarena tahiry tsy tontan’ny ela - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *