Socio-eco

“PROTOCOLE” AFRIKANA: Zon’ny olona manana fahasembanana


Nisokatra teto Quatre Bornes Nosy Maurice ny atrikasa nokarakarain’ny ny ARADI na Alliance for Rights Africa towards Disability Inclusion nokarakarain’ny ADA na Africa Disability Alliance eo anivon’i Afrika sy EDYCS na Education Disability Youth Consulting System eto Maurice, ary novatsian’ny CBM Cristoffel Blinden Mission sy ny Union Européenne.

Firenena avy aty amin’ny faritra Atsimon’i Afrika SADC no mandray anjara amin’izany ary fanazavana momba ny “Protocole africain sur le handicap” no anton-dresaka. Mifandray amin’ny fotokevitra nalaina avy ao amin’ny Charte africaine des Droits de l’Homme et des Peuples ny fanekena fa manana izay mampiavaka azy manokana ny kolontsaina afrikana ka tokony ho tandrovana izany eo amin’ny fanajana ny zon’ny olona manana fahasembanana. Olona manampahaizana manokana mikasika ny Lalana sy ny fahasembanana no mandray anjara amin’izany.

Hanatevina ny fankatoavana ny Fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’ny olona manana fahasembanana ny fankatoavana an’io Protocole afrikana io ka entanina hiroso amin’izany ny Fanjakana Malagasy.

Ny alarobia 29 aogositra no hifarana ny atrikasa eto Quatre Bornes Maurice ary hisy fizarana certificat ho an’ny mpandray anjara rehetra.

Razaka Ralphine Manantenasoa.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *