Socio-eco

POLISIM-PIRENENA: Tsy kidnapping no nahazo an’i Tania fa “sequestration”


Hita soamantsara omaly 18 novambra 2019 i Tania. Taorian’ny famotorona nataon’ny sampandraharaha misahana ny zaza tsy ampy taona sy ny heloka mamoafady Tsaralalana dia natolotra ny fampanaoavana androany 19 novambra 2019 ny reniny, ny rainy sy ny sipa niaraka tamin’ny rainy ary ny anabavin’ity vehivavy ity. Araka ny fanazavan’ny Commissaire Andriamiandra Fidy nandritra ny  tafa ho an’ny mpanao gazety androany teny Anosy fa adina mpivady no fototry ny fanafenana  an’i Tania. Rehefa natao ny famotorana dia efa nisaraka elabe ny ray sy ny renin’i Tania. Niaraka tamina vehivavy hafa taorian’izany  ny rainy ary nifampitondra tahaka ny mpivady izy ireo.  Io “vadiny faharoa” io no naka ity zazavavy kely  ity tany am-pianarana ary nanafina azy. “Rehefa nohadihadiana io nanafina an’i Tania io dia nilaza izy fa nentina nanaovana valifaty ny fanafenana azy satria nampijaly azy rangahy ary naafaka ny zaza tao an-kibony izany”, hoy ny fanazavan’i Commissaire Andriamiandra Fidy.
Nambaran’i Commissaire fa nahafantatra ny dadan’i Tania fa nafeniny sipany  ny zanany. Nanafatra ny renin-janany  anefa izy mba tsy hitory fa hoe kristianina.  Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny polisim-pirenena fa azo enjehin’ny lalàna ny olon iray raha toa ka mahafantatra olona manao fandikan-dalàna kanefa tsy manondro azy. Tsy “kidnapping” no nahazo an’i Tania fa “sequestration” hoy izy satria alaina an-keriny sy angalana vola no atao hoe : “kidnapping” ary alaina sy afenina no atao hoe: “sequestration”.
Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *