Socio-eco

POESAM 2022: Nahazo loka ireo tetikasa malagasy miisa 5 mendrika indrindra


Tetikasa mamaly ny filàn’ny mponina. Nanolotra ny lokan’ireo tetikasa malagasy mendrika indrindra tamin’ny fifaninanana « Prix Orange de l’Entrepreneur Social en Afrique et Moyen-Orient » na POESAM 2022 teto Madagasikara ny Tale Jeneralin’ny Orange Madagasikara, Frédéric Debord ny zoma 4 novambra 2022. Tetikasa 125 no nandray anjara tamin’ny fifaninanana ka ny 8 tamin’ireo no voasafidy hiakatra ny dingana famaranana. Nijoro teo anoloan’ny mpitsara izy ireo mba hampahafantatra sy handresy lahatra  ny tetikasan’izy ireo. 5 tamin’ireo tetikasa no nosafidian’ny mpitsara ho tetikasa malagasy mendrika indrindra. 13 ny isan’ny mpitsara tamin’izany ary avy  amin’ny sehatrin’ny toekarena sy miankina amin’ny fanjakana izy ireo. Ny tetikasa Sehatra.com no nandrombaka ny loka voalohany. Vola mitentina 8.000.000 ariary miampy abonnement internet no azon’ity « plateforme en ligne », manampy ny fikambanana amin’ny lafiny sosialy na tontolo iainana manao hetsika fitadiavam-bola sy ahafahan’ireo Malagasy mpila ravinahitra any ivelany milalao sady mandray anjara amin’ny asa sosialy sy ara-tontolo iainana eto Madagasikara . Azon’ny tetikasa CAV (Cours d’appui virtuel) kosa ny loka faharoa: vola mitentina 6.000.000 ariary sy smartphone 4G. Sehatra manome fiofanana 100 % « en ligne »  ny CAV. Hita ao avokoa ny lesona, horonantsary manazava ny lesona, fanazaran-tena ary tranon- boky an’habaka (virtuelle). Samy nitana ny laharana fahatelo mitovy ny SKILL of the WORLD sy Wonboard. 3.000.000 ariary sy smartphone 4G no nomena azy ireo. Tsara ny mampahafantra fa tranokala sy « application mobile » manome tolotr’asa eto Afrika ny SKILL of the WORLD. Sehatra iray mampiasa ny teknolojia vaovao amin’ny fanomanana sy fanampiana amin’ny fampananan’asa sy manampy ny orinasa kosa ny  Wonboard. Ankoatra izany, nosafidian’ny mpitsara hahazo ny loka ho an’ny sokajy vehivavy ny tetikasa « Institut Supérieur le Capricorne ».  4.000.000 ariary sy abonnement internet ny loka natolotra azy. Miompana amin’ny fampiofanana arak’asa amin’ny sehatrin’ny asa eny ambanivohitra toy ny fambolena sy fanodinana ny vokatrin’ny fambolena no ataony. Ankoatra ireo loka dia hahazo tohana amin’ny resaka fandraharahana eo anivon’ny Orange Fab, Orange Digital Center  Madagascar eny   Ankorondrano ireo kandida 8 tafiakatra tamin’ny dingan’ny famaranana.  Raha ny fantatra dia manosika ireo tetikasa vao misandratra amin’ny lafiny fampiofanana momba ny fandraharahana mba hampiroborobo aingana ny tetikasan’izy ireo ny Orange Fab. Tetikasa 17 no efa nampiany nanomboka tamin’ny 2019.

Marihina fa nanomboka tamin’ny 2011 dia manome lanja ny mpandraharaha manome tolotra na raharaha mitondra aingavao, mampiasa ny teknolojia vaovao ary mamaly ny filàn’ny mponina amin’ny lafin’ny fahasalamana, varotra, indosstria, fanabeazana, angovo, fambolena ny POESAM.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *