Sport

PEARLS GOLF CHAMPIONSHIP 2016 : Hanomboka amin’ny 14 May any Nosy-be Hell ville.


Hanomboka amin’ny Sabotsy ho avy izao ny fifaninanana « pearls golf championship 2016» izay ho tanterahana any Nosy-be amin’ity taona ity. Firenena maro no andray anjara amin’izany ankoatra ny Malagasy, toy ny Italiana, Frantsay, Anglisy…
Marihana fa nahatratra 45 ireo mpilalao nandray anjara tamin’ny fifaninana farany teo ka ry zareo Italiana no betsaka.
Anterivava : Jean Baptiste, Massimo sy Martine (mpilalao)

Ny fisian’ity toeram-pilalaovana any Nosy-be ity, mitarika ny mpizahatany sy mampiditra vola vahiny eto Madagasikara . Fantatra fa ny mpilalao azy ity dia ireo mpanam-bola avy any ivelany kanefa na izany aza, maro ihany koa ny Malagasy milalao ny GOLF, hoy Narson RAFALIARIVO, tale jeneralin’ny MAINTSO Madagascar. « Ahitana mpampianatra io taranja io any an-toerana ho an’ny ankizy sy ny olon-dehibe ».
Anterivava : Narson RAFALIARIVO

Ankoatra izay, ny « perals international golf course Nosy be » dia toerana fitsangatsanganana, toy ny fisian’ny toeram-pilomanosana, fitness, zumba, toeram-pilalaovana tenisy…Tsy ho ela ihany koa, ny fananganana trano fisakafoana.
Nomarihan’ny tomponandraikitra fa natao ity toerana ity ho an’ireo izay very asa tao amin’ny SIRAMA.
Nirina R.

ORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *