Socio-eco

PAPA FRANSOA : Faly tamin’ny fitsidihana nataony teto Madagasikara


Tontosa antsakany sy andavany ny fitsidihana apostolika nataon’i Papa Frasoa mpiandry ondry ao amin’ny eglizy katolika sady filoham-panjakana ao Vatikana teto Madagasikara. Nandritra ny nivanihanany dia namafy fiadanana sy fanantenana izy. Nandao an’i Madagasikara androany Talata 10 Septambra 2019 ny Papa ray masina Fransoa. Fiaramanidin’ny air Madagascar no nitondra azy sy ny delegasiona nentiny any Italia.

Naneho mivantana ny hafaliana sy ny fahafaliam-pony ny Papa tamin’ireo evekan’i Madagasikara. Gaga izy tamin’ny hafanam-pontsika sy ny firaisankina ary ny fahaizantsika mandray vahiny. Noho izany dia nisaotra izay rehetra nahatontosa ka nahandro nahamasaka izao fitsidihana nataon’ny Papa izao ireo eveka eto Madagasikara, anisan’izany ny mpitondra fanjakana. Eo ihany koa ny fanehoana ny fihavanana malagasy, ny fahaizana mandray vahiny, ny fiombonan-po tamin’ny fitsidihan’ny papa.

Marihana fa tonga nanatitra ny Papa Fransoa teny Ivato ny mpitondra fanjakana malagasy izay notarihan’ny Prezidàn’ny repoblika Rajoelina Andry sy ny vadiny, ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ny minisitra vitsivitsy, ny filohan’ny antenimierandoholona…

Nirina R.


One comment on “PAPA FRANSOA : Faly tamin’ny fitsidihana nataony teto Madagasikara

  1. Pingback: PAPA FRANSOA : Faly tamin’ny fitsidihana nataony teto Madagasikara - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *