Socio-eco

Orchidées Blanches (O.B) : Lalana Jean Charles Rasoanaivo


Nampitondraina ny lalana manoloana ny Orchidées Blanches (O.B) Analamahitsy mihazo an’Androhibe (ENAM) ny anarana Jean Charles Rasoanaivo. Tsy iza io lehilahy io fa olona nanana fahasembanana ara-tsaina, nonina teo amy toerana nanorenana ny ONG O.B ankehitriny io. Tsy nisy izay tsy nahafantatra azy ny fiarahamonina teny amin’iny faritra iny.

Takrlaka manoloana ny Orchidées Blanches Analamahitsy

Takrlaka manoloana ny Orchidées Blanches Analamahitsy

Ny fianakaviana Rasoanaivo nipoiran’i Jean Charles dia nanapa-kevitra ny hanolotra manontolo ny velaran-tany nonenany nandritra ny androm-piainany ho an’izay fikambanana tsara sitrapo vonona hitaiza sy hanabe olona manana fahasembanana ara-tsaina.

Ireo taiza niatrika carnaval

Ireo taiza niatrika carnaval

Ny fianakaviana Ramaroson, nanorina sy nitantana ny ONG O.B no nisitraka izany fanomezana izany. Ho fankasitrahana ny fianakaviana Rasoanaivo sy ho fahatsiarovana an-dRangahy Jean Charles Rasoanaivo izay nahita masoandro tamy ny 28 jona 1927, dia nandray an-tanana ny fangatahana teo anatrehan’ny Fanjakana ny O.B sy ny fianakaviana Ramaroson ny ampitondrana ny anarany ny lalana manoloana ny O.B.

Ny DPHPA sy ny DGP ary ny fianakaviana Ramaroson miara-milanonana

Ny DPHPA sy ny DGP ary ny fianakaviana Ramaroson miara-milanonana

Io tsingerintaona nahaterahany io no nitokanana ny lalana Jean Charles Rasoanaivo. Raha vita ny fitokanana ny takelaka, dia nisy carnaval nataon’ireo zaza tinaiza ao amy ny O.B sy laharana fiarakocia nisantatra ny lalana mandroso miverina hatreo amy ny ENAM Androhibe.

Nanome voninahitra nisolontena ny Ministeran’ny Mponina ny Tale Jeneralin’ny Mponina sy ny Talen’ny Olona manana fahasembanana sy ny Zokiolona nandritra ny ny fotoam-pivavahana sy lanonana manontolo.

Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *