Socio-eco

ORANGE SOLIDARITÉ: Manampy vehivavy hahaleo tena


Ahitana “maison digitale” avokoa ny boriborin-tany enina eto Antananarivo renivohitra. Natao hampiofanana ny vehivavy ny tontolon’ny nomerika sy ny informatika ireo foto-drafitrasa ireo. Tetikasa niarahan’ny kaominina an’Antananarivo renivohitra niasa tamin’ny fikambanana “Orange Solidarité” izy ity. Ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy, notokanana tamin’ny 08 martsa 2018 ny “maison digitale pour les femmes” ao amin’ny biraon’ny boriborin-tany voalohany.
Nanomboka tamin’ny taona 2015 no nanokatra ivon-toerana mampianatra ny vehivavy an’ireo fitaovana nomerika sy informatika ny fikambanana “Orange Solidarité”. Faha-17 ny ivon-toerana io notokanana farany io. Ny fikambanana EZAKA no tompon-kevitra tamin’ny fananganana ny ivon-toerana. Ny “Orange Solidarité” kosa no nanampy tamin’ny fanatsarana ny trano sy niantoka ny fampitaovana. Ho fanampiana ireo vehivavy Malagasy hahay hikirakira sy hifehy ny teknolojia, nanolotra “tablettes, serveur raspberry, imprimante, video projecteur, clés USB, ordinateurs portables” ny “Orange Solidarité”. “Fanampiana ny vehivavy amin’ny tontolon’ny asa ny fanomezana azy fiofanana momba ny teknolojia ny “maison digitale”. Manampy azy hahaleo tena ihany koa izany”, hoy ny filohan’ny “Orange Solidarité”, Josie Randriambeloma.
Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *