Socio-eco

ORANGE MADAGASCAR: Manome lanja ny fahasalaman’ny mpiasa.


Hanampy ny fikambanana misahana ny olona tra-pahasembanana ny “application ellomi”. Ahafahana mamantatra ny toe-batan’ireo manana fahasembanana ara-batana, ara-tsaina ity application vaovao navoakan’ny orinasa Orange ity. Tsy ny fahasembanana hita maso ihany no azo ampiasaina ny “ellomi” fa ahazoana vaovao ara-potoana ny toe-pahasalaman’ny olona iray ao anatin’ny fivoriana na toeram-pisakafoana… ihany koa izy ity. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny tetikasa sy ny fampandrosoana ny mpiasa ao amin’ny Orange, Liva ROBSON fa hanampy amin’ny fampahafantarana ny toe-pahasalaman’ny mpiasa ny Ellomi satria azo fantarina amin’ny alalan’io “application” io avokoa ny  fahasembanana hita maso sy ny aretina mitaiza izay sokajiana ho fahasembanana tsy hita maso.

Nampahafantarina nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny SIDA, ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy ary ny olona tra-pahasembanana ity zava-baovao ity. Natambatra ny 04 desambra 2017 ny fankalazana ka samy nanamarika izany orinasa Orange maneranan’izao tontolo. Ho an’ny Orange teto Madagasikara, mpiasa niaraka tamin’ny ankohonany  250 nanao fitiliana ny tsimoka aretina VIH/SIDA, ny diabeta ary nitsapa tosi-dra. Nisokatra ho an’ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny orinasa ihany koa ny hetsika. Ankoatra izany,  nandray anjara tamin’ny fankalazana ny fedarasionan’ny olona tra-pahasembanana, ny ratsa-mangaika miady amin’ny herisetra  atao amin’ny vehvavy sy ny ankizy.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *