Socio-eco

ONG OPERATION SMILE: Olona 500 manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany hahazo fandidiana maimaim-poana


Fampitomboana ny olona misitraka fandidiana. Te hampitombo ny isan’ny olona manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany ho sitranina ny ONG Operation Smile. Manana vina  ny ONG handidy marary miisa 500 amin’ny taona 2022. Ho maimaim-poana ny fandidiana. Mikarakara hetsika ry zareo hanentanana ireo mpiara-miombon’antoka afaka manampy amin’ny fanatanterahana io tanjona io.  Nanomboka ny 15 oktobra 2021 ny hetsika fanentanana ary tsy hifarana raha tsy amin’ny faran’ny volana desambra 2021. “Ndao hifanome tanana hanome tsiky indray ireo manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany”, hoy Rakotomalala Mirana, Country Manager ny Operation Smile eto Madagasikara. Ny fanampiana voaangona amin’ity hetsika ity dia hanohanana ny fitsaboana ireo marary sy hanavaozana ny sampandraharaha misahana ny fandidiana ho an’ny zaza ao amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA) mba hampitomboana hatrany ny isan’ny marary voadidy isan-taona.

Noho ny krizy ara-pahasalamana tamin’ny taona 2020, anarivony ny Malagasy  manana fahasembanana sima molotra sy ny vaky lanilany mbola miandry fandidiana. Araka ny fanazavan-dRamatoa Rakotomalala Mirana fa ny ankabeazan’ny olona marary manana fahasembanana dia avy any ambanivohitra. “Tsy ampy ny enti-manan’ireo marary ka tsy miroso amin’ny fandidiana”. Misedra olana anefa izy ireo eny anivon’ny fiarahamonina. “Ao no voahilikilika, betsaka ny olona matahotra azy ireo. Ny zaza te hianatra nefa jerijeren’ny namany dia lasa tsy mazoto intsony. Ho an’ny olon-dehibe dia tsy mahazo vady fa voahilikilikin’ny fiarahamonina”, hoy izy. Raha ny fanazavany dia manaranaka ny fahasembanana sima molotra sy vaky lanilany. Efa mandeha ihany koa ny fikarohana ny hifandraisan’izany amin’ny tontolo iainana.

Ra-Nirina.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *