Socio-eco

OMS : Mamolavola tondro zotra hisorohana ny fiparitahan’ny pesta.


“Mbola mitohy ny ady na dia nandresy tamin’ny fifehezana ny valan’aretina pesta”.  Mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny pesta mifindra amin’ny alalan’ny parasy na “bubonique” ny eto Madagasikara. Amin’ny volana aprily 2018 any vao hifarana izany. Ho fanamafisana ny fifehezana sy fisorohana azy ity, nanao jery todika ny asa vita nandritra ny firongatry ny pesta “pulmonaire”  izay nahafaty Malagasy maro ny Fianakaviambe manerantany  ho an’ny fahasalamana (OMS). “Ho fanampiana ny governemanta Malagasy amin’ny fandraisana ny fanapaha-kevitra sy fepetra mahomby  raha sanatria miverina indray ny tranga mampalahelo tamin’ny volana aogositra ka hatramin’ny novambra 2017 lasa teo”, hoy ny Solontenan’ny OMS monina eto Madagasikara, Dr Charlotte Faty Ndiaye.

Tsy  ampy ny tomponondraikitry fahasalamana.

Nanomboka ny 10 ka hatramin’ny 12 desambra 2017 ny fanaovana jery todika  ny  asa vita tamin’ny famonjena vonjy rano vaky ny pesta. Ankoatra ny OMS, hiaraka hamolavola tondro-zotra hanamafisana ny ady atao amin’ny pesta eto Madagasikara ireo mpiara-miombona antoka ara-teknika sy ara-bola, ny fanjakana Malagasy izay ny tomponandraikitry ny  fahasalamana no misolo tena azy. “Hanamafy ny traikefa azo  amin’ny fanentanana ny mponina manoloana ny aretina pesta, hanatsara ny fomba fiasa  ity fivoriana ity”, hoy ny Ministry ny fahasalamam-bahoaka, Lalatiana ANDRIAMANARIVO. Anisany olana nosedrain’ny ministera ny  tsy fahampian’ny mpiasa nandray an-tanana ireo marary. Manoloana izany, handray fepetra ny ministera ka handray mpitsabo mpanampy   ho fampitomboana izany.

2417 ny olona nahitana soritra aretina pesta. Pesta nifindra tamin’ny alalan’ny piti-drora ny 75% tamin’ireo.  Araka ny  antontan’isa avy amin’ny MInisteran’ny fahasalamam-bahoaka, distrika 55 no tena nitrangan’ny valan’aretina pesta.

Nirina R.

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *