Socio-eco

OLONA MATIN’NY PESTA : Ny fomba fandevenana mendrika.


Azo atao ny manaraka ny fomban-drazana raha toa ka matin’ny pesta ilay olona. Misy fepetra kosa anefa napetraky ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Nankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (OMS) ny tolotra ahafahana manao fandevenana mendrika sy manaraka ny fenitry ny fahasalamana. Niteraka korontana teo amin’ny fianakaviana sy ny mpiasan’ny fahasalamana ny tsy fahafahan’ity voalohany mandevina ny havany izay matin’ny pesta. Ho fiarovana ny ain’ny manodidina manoloana ny fiparitahan’ny valan’aretina anefa no antony nandraisan’ny mpiasan’ny fahasalamana fepetra tamin’ireny vanim-potoanan’ny pesta farany teo.
Ankehitriny, nanapa-kevitra ny ministera ho fiatrehana ny vanim-potoanan’ny pesta manaraka. Nakana hevitra avokoa ny Raiamandreny ara-drazana, ny solontenan’ny fokonolona, ny manam-pahefana isan-tsokajiny manerana an’i Madagasikara. Novolavolaina ny fomba fandevenana ny olona matin’ny pesta mifanaraka amin’ireo fombafomba fandevenana mampiavaka ny faritra 22. “ Azo atao tsara ny miambina ny razana ao am-bohitra saingy manaraka ny fenitra ara-pahasalamana”, hoy ny Ministry ny fahasalamam-bahoaka, Lalatiana Andriamanarivo. Nanamafy ihany koa ny solontenan’ny OMS, Dr Charlotte faty Ndiaye fa fomba manaja ny fomban-drazana io fenitra io. Nampahafantarina an’ireo manam-pahefana isaky ny distrika, ny mpiara-miombona antoka ara-bola miara-miasa amin’ny OMS sy ny ministera izany ny 12 martsa 2018. Nijoro vavolombelona nandritra ny fivoriana ny vady aman-janak’i Raymond tamin’ny fampiharana fandevenana mendrika sy manaraka ny fenitra ara-pahasalamana. Afaka nandrasana roa andro tao an-trano ny zanany vavy izay matin’ny pesta.
Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *