politique

OLOM-PIRENENA: Manahy ny hiverenan’ny faha-mpanjaka


Iankinan’ny safidin’ny vahoaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa  ny valin-tenenin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana (HCC). Andro vitsivitsy mialoha ny fifidianana atao ny 19 desambra, nanao fanambarana ny olom-pirenena. Nandritra ny fanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana tamin’ny fihodinana voalohany, ny 28 novambra 2018 nisy teny nolazainy ny filohan’ny HCC : « Misy zavatra anankiray tsara ho fantatrareo. Ireo izay mahalala ny tantaran’i Madagasikara, ny tantara tena izy fa tsy ny tantara ofisialy, dia mahafantatra fa ity taona 2018 ity dia fotoana tokony hamerenana ny hasim-piandrianan’ny Fanjakana Malagasy izay very sy novonoina ary nofafana tamin’ny fanjanahantany. Adidintsika ankehitriny, indrindra izay manantena ny hitondra ny tany sy ny fanjakana, no manantanteraka izany. Ka asakasak’izay mitady hitsivalana amin’izany fa masina ny tanindrazana”.

 Mangataka fanazavana amin’ny tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny, ny filohan’ny HCC ny hevitra fonosiny io lahateny io fa indrindra momban’ny « hamerenana ny hasim-piandrianan’ny Fanjakana Malagasy izay very sy novonoina ary nofafana tamin’ny fanjanahantany » amin’ity taona 2018 ireto olom-pirenena ireto. Nambaran’ny solontenan’izy ireo, Tinou Randriamamonjy fa amin’ny maha filohan’ny HCC azy dia tokony hanambara ny voka-pifidianana fotsiny izy. Mihevitra izy ireo fa manakorontana ny saim-bahoaka ny teny nolazain’ny filohan’ny HCC  satria midika izany fa ny tantaran’ny firenena malagasy ofisialy rehetra nampianarina ny zanaka gasy tany an-tsekoly izany dia diso fa tsy tantara tena marina dia tsy ofisialy. Naneho ny heviny ihany koa ireo  olom-pirenena fa fanerena ankolaka gasy handao ny rafitra repoblikanina ary hiverina amin’ny hasim-piandrianam-pirenena ny tenin’ny filohan’ny HCC. Araka ny fanazavan’izy ireo, fiarahamonina hanjakan’ny hasim-piandrianana ny fisian’ny rafitra andriana, hova, andevo. « Manimba tanteraka ny fahafahana sy ny fitovian’ireo olom-pirenen’ny repoblika eo anatrehan’ny lalàna sy ny maha olona anefa izany ». Raha fintinina, matahotra ny hiverenan’ny fitondrana entin’ny mpanjaka ireto olom-pirenena ireto noho ny lahatenin’ny filohan’ny HCC.

Lynda A.


One comment on “OLOM-PIRENENA: Manahy ny hiverenan’ny faha-mpanjaka

  1. Pingback: OLOM-PIRENENA: Manahy ny hiverenan’ny faha-mpanjaka - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *