Socio-eco

MPIVAROTRA TENY SOAMANDRAKIZAY: “Voafitaky ny AB Event”


Mety nihena ny fatiantoka raha notanterahin’ny mpikarakara an-tsakany sy andavany ny fampanantenana nolaizany tamin’ireo mpivarotra teny Soamandrakizay. Tafakatra 150 % ny fahavoazanan’ny tsenan’ ireo mpivarotra, nanofa trano heva teny Soamandrikazay ny zoma 6 septambra 2019 ka hatramin’ny alahady  8 septambra 2019. 4000 “plats” isan’andro, isaky ny trano heva no nampanantenain’ny AB Event. Niomana tamin’izay toromarika izay ny mpivarotra kanefa zavatra hafa no niseho teny an-toerana, tsy azo novidiana ny sakafo satria potiky ny vovoka, simba vokatry ny fahatapahan’ny herinaratra. Nambaran’ny mpisolovava Maitre Tantely Ramaroson fa niharana famitahana avy amin’ny AB Event  ireo mpivarotra arovany. Eo amin’ny fanomanana no nisy fitaka, hoy izy. Rehefa nidina nijery ny toerana ireo mpandray anjara dia nahita fa hanidina any amin’ny sakafo sy ny kojakoja ho ampiasain’izy ireo ny vovoka be teny an-toerana. Nampanantena  anefa ny AB Event talohan’ny fandoavana ny hofan’ny trano heva fa hisy ny fandrarahana rano amin’ny vovoka ary hisy “produit” avy any Inde izay tsy mampihetsika ireo vovoka ireo ho ampiasaina. Raha tsy izay dia tsy nivarotra teny izy ireo kanefa tsy tanteraka akory izany.

 Tsy nisy ny tombom-barotra.

Raha ny tombana dia 16 tapitrisa ka hatramin’ny 20 tapitrisa Ariary no nampiasain’ny trano heva tsirairay ankoatran’ny hofan-trano izay 600.000 Ariary farafahakeliny. Raha fanazavan’ny mpisolovava Maitre Tantely Ramaroson, mpiaro ireo mpivarotra, nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety ny 10 septambra 2019 teny amin’ny Antaninarenina fa  170 ny isan’ny trano heva tokony hitsangana kanefa tafakatra 272 izany. Tsy nahazaka ny isan’ny trano heva ny herinaratra ka nitsonika ireo “fil” izay niteraka ny fahatapahan-jiro. Manginy fotsiny ny tsy fisian’ny rano ary raha mba nitaona rano avy any ivelany ireo mpivarotra dia tsy nahazo niditra.

Maniry ny hamerenana ny hofan’ny trano heva farafaharatsiny ireto niharam-pahavoazana ireto. Raha tsy izany dia hampiakatra ny raharaha eny amin’ny fitsarana. Nomarihany fa tsy manana olana amin’ny katolika sy ny fanjakana izy ireo.

Nirina R.


One comment on “MPIVAROTRA TENY SOAMANDRAKIZAY: “Voafitaky ny AB Event”

  1. Pingback: MPIVAROTRA TENY SOAMANDRAKIZAY: “Voafitaky ny AB Event” - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *