Socio-eco

MPIASAN’NY CUA : Mety tsy handray karama volana febroary


Manahy mafy ny mpiasan’ny kaominina an’Antananarivo renivohitra (CUA) fa tsy handray karama volana febroary. Mbola tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny prefektioran’ny polisy an’Antananarivo ny teti-bolan’ny CUA 2018. « Tsy afaka mampiditra na moaka vola ny mpitantana noho izany antony izany”, hoy ny Filohan’ny sendikan’ny mpiasan’ny kaominina SMKAR, Tojo Randrianatoandro. Miantso ny tomponandraiki-panjakana ny sendika mba tsy hampiditra resaka politika ity resaka tetibola ity fa lasa sorona ny mpiasa sy ny vady aman-janany. Ny fanomezana alalana manokana na « dérogation » nataon’ny « Direction de la Comptabilité Publique » no nahafahana nandoa ny karaman’ny mpiasa volana janoary.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *