Socio-eco

MPANAO GAZETY MPANAO FANADIHADIANA LALINA, RIANA RAYMONDE: Hamoaka boky momba ireo endri-paneriterena ny mponina any Atsimo


Ahafahana manampy ireo olona lasibatry ny fandikan-dalàna. Amin’ny volana aogositra 2021 no hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny boky mirakitra ny fanadihadiana lalina momba ireo karazana endri-paneriterena ny mponina any ambanivohitra. Randrianarisoa Riana Raymonde, mpanao gazety mpanao fanadihadiana lalina no nanao izany. Tany amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara no toerana nosafidiany nanaovana ny fanadihadiana. “Noho ny faharefoan’ny ara-tsosialin’ny mponina  any dia misy ny fanararaotana amin’ny endriny maro samihafa”, hoy izy. Nambarany fa nifantoka tao amin’ny distrikan’i Betroka ny asa nataony satria “iaraha-mahalala fa ny distrikan’i Betroka dia ahitana endrika fandikan-dalàna, heloka voarindra (crime organisé) toy ny halatr’omby, fakana an-kerin’ny olona, trafikana rongony”. Boky 400 no atonta ary ho aparitaka amin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny, firaisamonim-pirenena, olon-tsotra indrindra any amin’ny faritra niasàna.

Voarakitra ao anatin’io boky io ny faneriterena amin’ny endriny maro samihafa indrindra ny faneriterena ahazoana tombontsoa (extorsions). “Ny extorsions dia tsy mijanona amin’ny hoe extorsions de fonds na fakana volan’olona fa faneriterena amin’ny endriny maro samihafa, ohatra fanerena olona iray ahazoana ny soniany ahafahana maka ny taniny na faneriterena ara-moraly mba ahazoana tombontsoa manokana. Ireny rehetra ireny no ezahina atsikafona tao anatin’ny fanadihadiana natao”, hoy Riana Raymonde, 21 taona niasàna tamin’ny asa fanaovan-gazety ary efa ho 15 taona nanaovana fanadihadiana lalina. Hita ao anatin’ny boky ihany koa ny paikady entina miady amin’ireo endri-paneriterena mahazo ireo mponina, araka ny fanazavany.

Vatsim-pianarana avy amin’ny fikambanana Suisse –  Global Initiative Against Transnational organized crimes, ResilienceFund, no nahafahan’ny mpanao gazety Riana Raymonde nanao ity fanadihadiana ity. Lohahevitra tamin’ity taona ity ny endri-paneriterena sy ny vahaolana ho entina mba ahafahana manampy ilay olona lasibatry ny fandikan-dalàna. Misy isan-taona io vatsim-pianarana io, araka ny fanazavany. “Efa hisokatra ny andiany fahatelo ka hanentanana ny mpanao gazety manao fanadihadiana lalina”. Nohamafisiny fa tetikasa mifanindran-dalana amin’io fanadihadiana io ny fampiofanana mpanao gazety. “Ireo mpanao gazety any amin’ny faritra marefo, any amin’ny faritra Anosy, Androy no atao lohalaharana. Vaky lalana ihany izy ity fa ezahina hitohy”, hoy izy.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *