Socio-eco

MOZEA VAVITIANA : Nanolotra sisam-bakoka arkeôlôjika i Ambatovy


Asa fikarohana arkeôlôjika nataon’Ambatovy. Manome lanja manokana ny fitandroana sy ny fanandratana ny lovan-kolontsaina Malagasy Ambatovy. Sisam-bakoka maherin’ny 1 800 hita tao amin’ny faritry ny toerampitrandrahan’Ambatovy sy ny manodidina azy. Eo ihany koa ny boky firaketana (catalogues) roa sy sarintany efatra mirakitra ireo asa fikarohana arkeôlôjika. Natolotra ny mozea vaovaon’i faritanin’i Toamasina, ao Ampasimazava, izay nomena anarana « Mozea Vavitiana », Ambatovy ny 22 ôktôbra 2020 ireo. Nahitan asa tanimanga teo an-toerana toy ny vilany, sinibe tany, tavoara, lovia jobo, tavy tanimanga, sns… ary vakim-pitaratra, efa tany ho any amin’ny taon-jato faha-18 ka hatramin’ny faha-20 tany, araka ny daty tombana nomen’ireo manam-pahaizana manokana momba ny arkeôlôjia avy ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo.

Ireo sisam-bakoka arkeôlôjika ireo dia ampahany tsy afa-misaraka amin’ny tantaran’ny kolontsain’ny faritra atsinanan’i Madagasikara. Hahafahan’ny mpianatra sy ny mpikaroka siantifika mamantatra bebe koa ny lasa, mahazo ny ankehitriny sy manorina ny hoavin’ny faritra. Izany dia hanampy amin’ny fampandrosoana ny maha-izy azy ny kolontsaina Malagasy sy ny fandrosoan’ny toekarem-pirenena.

Ao anatin’ny laminasa fitandroana ny arkeôlôjia ampiharin’Ambatovy, araka ny teny nomeny momban’ny fiarovana ny tontolo iainana, izay tanterahiny amin’ny alalan’ny Drafitra fitantanana ny tontolo iainana sy ny fandrosoana sôsialy (PGEDS) sy ny Drafitra fitantanana manokana ny tontolo iainana  (PGES). Voarakitra raha teo ao anatin’ny bokin’andraikitra ny fanatanterahana izany. Nanaja ny fomba amam-panao eo an-toerana, sy ny fomba fiasa siantifika ary ny fenitry ny SFI ny asa rehetra fiarovana ny lovan-kolontsaina.

Ny taona 2014 Ambatovy no efa nandray anjara tamin’ny fametrahana ny « Centre d’Interprétation du Patrimoine (CIP) » ao Toamasina. Natao indrindra izany mba hiarovana sy hampirantiana amin’ny daholobe ireo zavatra nilevina arkeôlôjika (artefacts) hita tao amin’ny faritra iasan’Ambatovy eo anelanelan’i Moramanga sy Toamasina.

Ho fitandroana sy ny fanandratana ny lovan-kolontsaina Malagasy dia namily ny lalan’ny Fantsomby (Pipeline) nandritra ny dingana fanorenana mba tsy hanombinana ireo toerana manan-danja ara-kolontsaina i Ambatovy.

Nirina R.


One comment on “MOZEA VAVITIANA : Nanolotra sisam-bakoka arkeôlôjika i Ambatovy

  1. Pingback: MOZEA VAVITIANA : Nanolotra sisam-bakoka arkeôlôjika i Ambatovy - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *