Socio-eco

MIAHY JOVENA : Nanombohana ny fampiasana ny « clinique mobile » tao amin’ny Akany Iarivo Mivoy


Fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Vehivavy 10 isan’andro no maty am-piterahana, ny telo amin’ireo dia tanora 15 ka hatramin’ny 19 taona, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny UNFPA raha ny taona 2018 no resahana. Ao anatin’ny fiarahamiasa nosoniavin’ny Fondation Axian sy ny UNFPA ny fandefasana “clinique mobile” amin’ireo toerana tena mila izany. Ny Fisa Madagasikara no miandraikitra ny tolotra momba ny fahasalamana ara-pananahana sy ny firaisana ara-nofo. Ny Akany Iarivo Mivoy, mandray ireo tsy manan-kialofana eny Anosizato no misitraka izany voalohany. Ho fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny eo am-piterahana, amin’ny alalan’ny fanamorana ny fikarakarana tsara kalitao sy maimaim-poana ny lafin’ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindram-piterahana no tanjon’ity fiarahamiasa ity”, hoy Rajemison Dina, tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny Fondation Axian.

Mifanindran-dalana amin’ny fankalazana ny herinandron’ny fampiasana fanabeazana aizana, hetsika voalohany nataon’ny roa tonta ny fanomezana tolotra momba ny fanabeazana aizana ho an’ireo mipetraka ao amin’ny Akany Iarivo Mivoy. Lehilahy, vehivavy, tanora maherin’ny 100 no nentanina momba ny vokatsoa azo avy amin’ny fampiasana ireo karazana fanabeazana aizana. Nahazo vaovao momba ny fahasalamana ara-panahanana ihany koa izy ireo izay anisany zo fototra.

Nirina R.


One comment on “MIAHY JOVENA : Nanombohana ny fampiasana ny « clinique mobile » tao amin’ny Akany Iarivo Mivoy

  1. Pingback: MIAHY JOVENA : Nanombohana ny fampiasana ny « clinique mobile » tao amin’ny Akany Iarivo Mivoy - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *