Socio-eco

MATAFA: Hiverina ny fanjanahantany raha tsy voaaro ny sisin-dranomasina


Nanatanteraka fiarahabana nahatratra ny taona 2019 teny Andohalo ny sabotsy 13 Aprily 2019 lasa teo ny Malagasy Tatsambo Fahiny (MATAFA). Tara izany tamin’ity taona ity raha isaky ny volana Febroary izany isan-taona noho ny antony maro samihafa. Tonga maro nanatrika izao fety izao ireo tatsambo efa nisotro ronono na koa ireo mbola am-perinasa.

Sarotra ny miaro ny sisin-dranomasin’i Madagasikara izay mivelatra tokoa ary manana halavirana mirefy 5000 km. Eo ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny isan’ireo tatsambo ireo izay mahatratra 350 ary tsy mahafeno ny sambon’ireo firenena matanjaka akory.

«Atahorana noho izany ny hiverenan’ny fanjanahantany indray raha tsy voafehy sy voaaro ny sisin-dranomasin’i Madagasiakara.», hoy ny vice Amiraly, Rakotoarisoa Jean Lucien ao amin’ny MATAFA.. Na eo aza anefa izany dia tombony ho an’i Madagasikara ny fisian’ny « Centre de fusion d’information maritime » (CFIM). Azontsika atao ihany koa ny manome vaovao ho an’ireo firenena hafa izay mila izany. Tombony ho antsika sy ireo firenena hafa ny fisian’io eto Madagasikara. Efa maro noho izany ireo firenena vahiny no nitsidika io ivon-toerana fitsiriana sy fanomezam-baovao momban’ny sambo eny an-dranomasina io , hoy hatrany izy.

Ohatra amin’izany ny fahatratrarana sambo sinoa tamin’ny faran’ny taona 2018 iny izay miheritreritra fa variana ao anatin’ny fifidianana isika. Efa azo lazaina fa matahotra ny fisian’io CFIM io ireo mpanao ratsy eny an-dranomasina. Vondrona eropenaina no tena nanampy antsika amin’ny fametrahana io ivon-toerana io ary fiaraha-miasa amin’ny COI. Naneho ny heviny ihany koa izy amin’ireo nosy kely manodidina an’i Madagasikara izay bodoin’ny Frantsay. Vao niverina ny fahaleovan-tenantsika dia tokony efa niverina ho an’i Madagasikara ireo nosy kely ireo. Samy miatsaravelatsihy ny firenena roa tonta amin’io nosy kely ireo.

Nirina R.


One comment on “MATAFA: Hiverina ny fanjanahantany raha tsy voaaro ny sisin-dranomasina

  1. Pingback: MATAFA: Hiverina ny fanjanahantany raha tsy voaaro ny sisin-dranomasina - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *