Socio-eco

MANAO RÉABONNEMENT STARTIMES: Televiziona “écran plat” ny loka goavana


Mitsinjo ny mpanjifany hatrany ny orinasa Startimes. Tolotra vaovao omen’ny orinasa amin’ity volana febroary ity ny “kitapom-batsy”. Nambaran’ny tale ara-barotry ny Startimes, Aina Ralai fa betsaka ireo manana décodeur startimes no tsy afaka manao réabonnement rehefa fiandohan’ny taona tahaka izao noho ny tsy fahampian’ny enti-manana. Natao hanampiana ireo manana décodeur kanefa tsy nitohy nanao réabonnement nandritra ny telovolana no mihoatra indrindra ny “kitapom-batsy”.

Nanomboka ny zoma 1 martsa 2019 io tolotra io ka amin’ity volana febroary ity dia mpanjifa miisa dimapolo voalohany manao réabonnement no mahazo ny loka avy amin’ny Startimes. Indroa io fanomezana io amin’ity volana Martsa ity. Noho izany miisa zato ireo mpanjifa ahazo loka. Televiziona “écran plat” miisa folo, vary amin’ny gony maromaro ary menaka amin’ny tavoahangy maromaro no hozaraina. Ankoatra izany, nanolotra “décodeur DTH Startimes” maimaim-poana an’ireo mpanao gazety miara-miasa aminy ny Startimes ny zoma 1 martsa teo. “Sady ho fanamafisana hatrany ny fiarahamiasa nandritra izay folo nisianay teto Madagasikara no mariky ny fitohizan’ny fiarahamiasa amin’ny fanampariahana ny televiziona nomerika manerana an’i Madagasikara no antony izao fanomezana”, hoy ny tale jeneralin’ny Startimes, Julien Jin.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *