Socio-eco

LALAO AIRTEL QUIZZ MLAY: Lasan’i Ratsimbanirina Nivomalala ny fiara SUV vaovao be


Malala-tanana amin’ny fampifaliana ny mpanjifa ny Airtel Madagascar. Tahaka an’i Ratsimbanirina Nivomalala ohatra dia nahazo fiara marika SUV tamin’ny Lalao Airtel Quizz Mlay.  Natolotra azy tany an-tanindrazany Anjozorobe, ny 25 aogositra 2022 ny lakilen’ny fiarany. « Midika ho fankasitrahana ny mpanjifa ny fihetsika tahaka izao », hoy i Eddy Kapuku, Tale Jeneralin’ny Airtel Madagascar. Nanomboka ny taona 1997 no tonga teto Madagasikara i Airtel ary mbola mijanona ho tambazotram-pifandraisana filamatra, araka fanazavany. Anisany nampalaza anay hoy izy ny fahatokisan’ny mpanjifa ny tambazotra Airtel. « Ara-drariny raha manome mari-pankasitrahana azy ireo izahay ho setrin’izany », hoy izy. Tsiahivina fa lalao miendrika fanontaniana maromaro ny Airtel Quizz Mlay. Tamin’ny alalan’ny fisarihana no  nahafahana namoaka ireo anarana nahazo ny loka marobe sy ny  loka be. Mpandray anjara 10 no nahazo loka nandritra  ireo lalao andiany teo aloha. Mbola mitohy ny lalao amin’izao fotoana izao. Mandefa hafatra misy teny hoe : « ALEFA » ao amin’ny 0335600030 fotsiny raha te hitsapa  vintana hahazo ny loka be (fiara SUV vaovao be). Efa nanomboka ny 4 oktobra 2022 ary tsy hifarana raha tsy ny 31 janoary 2023 ity andiany manaraka ity.  » Lohalaharana ny mpanjifa eto amin’ny Airtel ary ho ivon’ny asa ataon’ny orinasa foana izy », hoy hatrany i Eddy Kapuku. Nohamafisiny fa mifanindran-dalana amin’ny soatoavina hajain’ny orinasa: fanajana, zoto-po ary firaisankina ny lalao tahaka izao.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *