Socio-eco

KOPIKOLE SY DECOUVERTE MADAGASCAR 2017: Nandrombaka ny amboara ny kopikolé Tahiry sy i Tsilira.


Nibata ny laharana voalohany tamin’ny fifaninana “kopikolé” 2017 ny kandida avy eto Antananarivo.   Tamin’ireo kandida  folo tafakatra tamin’ny dingana famaranana, nisalotra ny kopikolé  2017  i  Miora,  kopikolé Tahiry.  Fivahinianana Budapest, renivohitry ny firenena  Hongrie ny tenany. Loka avy amin’ny  British School of Madagascar  izy ity.  Tsilira avy ao Toliara kosa no nahazo ny amboara tamin’ny fifaninana an-kira “découverte Madagascar”.

 Fitsidihana any Paris  kosa ny loka  be nomen’ny Orange mpanohana ny lalao azy. Ankoatra izany, mbola notolorana loka hafa ihany koa   ny “kopikolé Tahiry  sy ny  “découverte  Madagascar” Tsilira andiany  2017. Anisan’izany ny bon d’achat 300.000 Ariary avy any amin’ny Manda SA, bon de nettoyage ho an’ny   fiarakodia avy any amin’ny Net à  sec,  vata fahitalavitra écran led 32’’ avy any amin’ny bao lai, abonnement mandritra 1 taona avy any amin’ny Canal Sat ary vatsim-pianarana mandritra ny telo taona  avy any amin’ny ISFPS Leader.

Coup de Coeur

Nahazo ny coup de cœur  tamin’ny  « découverte Madagascar »  i Jacquis Randria.  Ny  kopikolé Elidiot  kosa tamin’ny  kopikolé. Fivahinianana any Bangkok  avy amin’ny Air Austral  ny loka goavana azon’ireto kandida avy Antsirabe sy Toliara ireto.  Mbola niampy fanomezana hafa izany  toy ny bon d’achat 300.000  Ariary avy any amin’ny Manda SA, bon de nettoyage  fiarakodia avy any amin’ny Net  à sec, vatsim-pianarana mandritra ny telo taona  avy any amin’ny  ISFPS Leader .

Ny naoty avy amin’ny mpitsara sy ny fifidianana nataon’ny mpankafy tamin’ny alalan’ny  fandefasana sms no natambatra ka nahazoana izao vokatra izao. Samy nahazo loka avy amin’ny TV Plus sy ireo mpanohana ny fandaharana  avokoa  izy izy 10 mianadahy tafiakatra tamin’ny dingana famaranana tamin’ity “kopikolé” andiany fahadimy  ity sy  ireo 10 mianadahy tamin’ny  fifaninana “découverte Madagascar 2017”.

Ny alahady 19 novambra 2017 teny Antsonjombe no natao ny famaranana ny lalao. Mpanakanto Malagasy maro nanafana ny lanonana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *