politique

KANDIDA RADO RAMPARAOELINA: Mbola vonona hanampy ireo mpiara-miombon’antoka


Fotoam-pivavahana no nanombohan’ny kandidà ho ben’ny tanàn’Ampitatafika Rado Ramparaoelina avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM ) ny fampielezan-keviny androany 05 Novambra 2019. Natao teny amin’ny Ekar masimbavy Cécile Tangaina izay niarahany tamin’ireo kandidà mpanolon-tsaina sy ny mpanara-dia azy. “Mbola vonona hanampy ireo mpiara-miombon’antoka  niara-niasa tamiko nandritra izay 11 taona izay”, hoy ny kandidà Rado Ramparaolina laharana fahatelo ao amin’ny bileta tokana. Anisan’izany ohatra ny  hanomezan’ny mpiara-miasa iray, solosaina maimaim-poana an’ny kaominina Ampitatafika  ary izy irery no voafidy hahazo izany eto amin’ny faritra Analamanga. Nampiavaka azy sy naharesy lahatra ny mponin’Ampitatafika ny fangaraharan’ny fitantanana tamin’izy teo amin’ny fitondrana ny kaominina. Mandritra ny hitondrany manaraka eo dia hanavao ny EPP Ambohibary, tsy maintsy vita amin’ny taona 2020. Ho atomboka ihany koa ny fanamboarana  ny tokontanin’ny EPP atao pavé na  beton na goudron. Eo ihany koa, ny fanohizana ny fanomezana famporisihana ny mpianatra amin’ny fanadinana ofisialy bakalorea. Nomarihany fa nandritra ny telo taona farany izany dia nomena 1.000.000 Ariary ny major afaka bakalorea ary 700.000 Ariary kosa ny laharana faharoa. Raha toa ka tafaverina hitantana ny kaominina indray izy dia amin’ny fetim-pirenena ny  taona 2020 no hizarana ny afaka tamin’ity taona 2019 ity.

Miantso ny mponina Ampitatafika ity kandidà laharana faha-3 eny Ampitatafika ity mba handrotsaka ny vato ho azy. “Ho ampitomboina 90% amin’ity indray mitoraka ity raha toa ka 65% izany tamin’ny taona 2015”, hoy izy.  Biraom-pifidianana tao amin’ny fokontany iray ihany no naharesy anay.  Vato 23 no elanelana tamin’ny taona 2015, hoy hatrany izy. “ Teo amin’ny fokontany 12 amin’ny 13 mpandresy foana aho ary  ho lasanay tanteraka ny 13 amin’ny 13 amin’ity fifidianana ity.

Entanina hatrany ny vahoaka mba hifidy ny efa hatokisan’ny mpamatsy vola satria fampandrosoana no tadiavina. “Aleo ny vato hikambana aty amin’ny laharana faha-3  amin’ny ben’ny tanàna sy ny laharana faha-2 , kandida mpanolontsaina avy amin’ny antoko TIM satria ireo kandida hifaninana ireo anie tsy ho lany e”. Noho izany, tsy tokony ho avotsotra ny famatsiam-bola efa eo “am-bavahady” satria hahazo tombontsoa ny kaominina Ampitatafika amin’ny maha filohan’ny filan-kevi-pitantanan’ny IPAM (Ivo fanajariana an’Antananarivo sy ny manodidina)  azy izay misy vola telo tapitrisa euros. Ankoatra izany, misy tetikasa lehibe ho tanterahina amin’ny taona ho avy amin’ny maha filoha lefitry ny tetikasa TATOM an’i Rado Ramparaoelina.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *