Socio-eco

KANDIDA MAILHOL: Hanamaivana ny saran’ny fitsaboana


Mbola nisy tamin’ireo naratra vokatry ny fifanosehana teny Mahamasina, talohan’ny fanombohan’ny lalao fifanintsanana nifandonan’ny Barea sy ny senegaly ny alahady 9 septambra 2018 no mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly HJRA Anosy. Raha tsiahivina, 37 no naratra ary iray no maty nandritra iny fifanosehana iny. Tao ireo voahitsakitsaka ka naratra mafy ny lohany, ny masony, ny tanany… Nitondra izay voatsirambin’ny tanana sy nitrotro am-bavaka azy ireo ny solontenan’ny kandida Mailhol, laharana faha-34. Ny talen’ny fampielezan-kevitra Paolo Emilio Solonavalona Raholinarivo sy ny biraon’ny antoko politika Gideona Fandresena ny Fahantrana (GFFM) izay nanolotra an’i Mailhol André Christian Dieu Donné no tonga namangy teny amin’ny hopitaly HJRA ny androany 10 septambra 2018 lasa teo.

Petra-bola

Nambaran’i Paolo Emilio Solonavalona Raholinarivo fa betsaka ireo marary eny amin’ny hopitalim-panjakana no mamonjy fodiana noho ny halafon’ny vidim-panafody. Ho an’ny kandida Mailhol, laharana 34 dia laharam-pahamehana ao anatin’ny vinan’ny fahazavana ny fahasalamam-bahoaka. « Ho maimaim-poana na ho raisin’ny fitondram-panjakana amin’ny ampahany ny saran’ny fitsaboana eny amin’ny hopitalim-panjakana. Hohatsangana ihany koa ny tahirim-bolam-pirenena ho an’ny fahasalamana. Misy amin’ny petra-bola ao amin’ity tahirim-bola ity no hiantohana ny fanafody ho an’ny vonjy aina », hoy ny talen’ny fampielezan-kevitra an’ny kandida Mailhol, laharana faha-34. Ankoatra izany, mba hampalefaka hatrany ny saran’ny fitsaboana dia ho apetraka isaky ny kaominina ambonivohitra ary hiitatra any amin’ny kaominina ambanivohitra ny toeram-pivarotam-panafody miankina amin’ny fanjakana.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *