Socio-eco

KANDIDA JIMMY RANDRIANTSOA: Tsy miandry ho ben’ny tanàn’Alasora vao miasa ho an’ny tantsaha


Tao anatin’ny telo taona, nijaly rano ny tantsaha ao amin’ny fokontany Ambohimarina, kaominina Alasora noho ny fahasimban’ny tohandrano ao Andriambato. “Fampanantenana poakaty hatramin’izay no nataon’ny mpitondra teo aloha. Na ny vola hanaovana azy aza mbola any an-kibon’ny omby”. Tsy vita akory io tohandrano io hatramin’izao. Vokany, mandany lasantsy dimy litatra isan’andro ny tantsaha iray ampandehanana ny “motopompe”, hisintonana rano hanondrahana ny voly. Amin’ny maha teknisiana ny kandida Randriantsoa Jimmy dia manana vahaolana ny tenany mba hisitrahan’ny tantsaha rano mandra-pahavitan’ny tohandrano ary nanomboka nanatanteraka izany izy sy ireo kandida mpanolontsaina  miaraka aminy. KANDIDA JIMMY RANDRIANTSOA 1Tao anatin’ny herinandro dia nanampy tamin’ny fisintonana rano hanondrahana ny voly ity kandida avy amin’ny antoko TIM ity, araka fanazavan’ny solontenan’izy ireo. Velom-bolo ihany koa ireo tantsaha mpamboly vary satria afaka mampidi-drano iatrehana ny fotoam-pambolena. Efa natao ny “etude” rehetra dia azo atao tsara ny manamboatra io tohandrano  io saingy mitaky fotoana maharitra. Noho izany, fampandriana adrisa ny filazana fa ho vita ao anatin’ny fotoana fohy. Nohamafisin’i Jimmy, laharana faha-7 amin’ny bileta tokana ho an’ny fifidianana ben’ny tanàna fa ao anatin’ny vinam-piarahamonina ho tanterahiny  ny fanamboarana ny tohandrano ao Andriambato ary tsy maintsy mahazo rano ny tantsaha.

Raha ny fantatra, 60.000 ny isan’ny mponina mandrafitra ny kaominina Alasora. Tantsaha avokoa ny 60 % amin’izy ireo. Manondraka tanimbary 400 ha sy tanimboly 650 ha ity tohandrano izay tsy mbola nasiam-panamboarana ity. Nambaran’ny kandida ho ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, Rahagasoa Nantenaina izay natolotry ny TIM fa miankina amin’io tohandrano io ihany koa ny tantsaha ao amin’ny fokontany Tanjonandriana. Raha toa ka in-droa isan-taona  no mamboly vary izy ireo dia lasa indray mandeha noho ny tsy fahampian’ny rano.

Lynda A.

 

 

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *