Socio-eco

KAIZEN : Teknika mampiroborobo isan’andro


Nianatra momba ny haitao sy toe-tsaina mivoatra isan’andro (kaizen) ny vehivavy ny antoko mpitolona ho an’ny fandrosoan’i Madagasikara (MFM). Atrik’asa narahina fiofanana no nanamarihan’izy ireo ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Nivondrona teny amin’ny « Hotel Colbert » Antaninarenina ireo vehivavy mpitarika ny antoko isam-paritra. Manodidina ny 50 teo ny isan’ireo niofana niaraka tamin’ny birao foibe. “ Manam-pahaizana momba ny fampivoarana isan’andro avy any ivelany sy eto an-toerana no nampiofana azy ireo”, hoy ny filoha nasionalin’ny vehivavy MFM, Malalatiana Rasoaniaina.
Fomba “japonais” ny “kaizen” ary ampiasain’ny orinasa lehibe manerantany. “Azo ampiasaina amin’ny orinasa kely indrindra dia ny tokantrano ihany koa”, hoy ny manam-pahaizana momba ny haitao sy ny toe-tsaina mivoatra isan’andro, Chryjosphar Zafilaza. Araka ny fanazavany hatrany, teknika mifototra amin’ny fandaminana ny asa sy fanala izay tsy ilaina ary fandaminana izay rehetra ilaina ny “kaizen”. Fiatombohan’ny fanarahana ny kalitao manara- penitra (ISO) ity teknika ity. Nianatra momba ny fampiharana izany ao an-tokantrano ireo vehivavy MFM.
Nirina R. & Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *