Socio-eco

Hôpitalim-panjakana (CHRD) ao Moramanga : Notoloran’ny Ambatovy fiara mpitondra marary


Nanolotra fiara mpitondra marary roa ari-fomba sy fitaovam-pitsaboana mitentina 150 000 dôlara (manodidina ny 550 tapitrisa Ariary) ho an’ny Hôpitalim-panjakana (CHRD) ao Moramanga sy ny Service Médical Inter-entreprises de Moramanga (SMIMO) ny orinasa Ambatovy, ny 6 marsa 2020. Tanjon’Ambatovy ny hanatsara ny fahafaha-miasa amin’ny toeram-pitsaboana toy itony mba hahafahan’ireo mpitsabo mandray an-tanana ireo marary amin’ny fotoana haingana. Ity fanomezana ity dia iray ao amin’ireo tetikasa izay novatsiana tamin’ny alalan’ny Tahirin’Ambatovy ho an’ny tetikasa sôsialy (FIS), izay mitentina 25 tapitrisa dôlara, ary natsangany tamin’ny taona 2012 mba hamatsiana tetikasa sôsialy sy fotodrafitrasa ao amin’ny faritra iasan’ny orinasa, faritra Alaotra Mangoro sy Antsinana. Tetikasa 17 no hita ao amin’ny FIS ary efa tontosa tao anatin’ireo taona vitsivitsy lasa ny ankamaroan’ ireo tetikasa ireo vokatry ny fiaraha-miasa nisy teo amin’Ambatovy sy ireo manampahefana eo amin’ny faritra sy ny governemanta. Ahitana fitaovam-pitsaboana ilaina amin’ny vonjy aina avokoa ao anatin’ireto fiara mpitondra marary ireto.
AMBATOVY - CHRD 2“Ao Ambatovy, dia lahara-pahamehana voalohany ny fahasalaman’ny mpiasa ao aminy. Eo ihany koa ny fahasalaman’ny besinimaro ary tafiditra anatin’ny paikadin’ny orinasa amin’ny  fampandrosoana ny fiarahamonina izany ka mandray anjara mavitrika araka izay azo atao amin’ny fanatsarana sy ny fampandrosoana ny fahasalamam-bahoaka sy ho an’ny fiarahamonina ao amin’ny faritra iasanay izahay . Noho izany, manohana feno ny fahafahana mandray an-tanana araka izay haingana indrindra ireo marary Ambatovy”, hoy ny Filoha lefitra misahana ny fandrosoana lovainjafy ao Ambatovy, Philippe Beaulne, nandritra ny lanonana ôfisialy fanolorana ireto fiara ireto. Ankoatra izay,  ny  fandraisana anjara rehetra ataony amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina.

Marihina fa tohin’ireo hetsika samihafa efa notanterahin’Ambatovy ho fanohanana ny CHRD Moramanga ity fanolorana fiara mpitondra marary ity, ary tafiditra ao anatin’izany ny fananganana “incinérateur” ho an’ny CHRD, ny fanamboarana ny lalana mihazo ity hôpitaly ity ary ny fanomezana fandriana ho an’ny hôpitaly. Lahara-pahamehana voalohany ho an’Ambatovy ny fahasalamana sy ny fikojakojana izany ary ny fitandroana ny aroloza ka taratra ao anatin’ireo hetsika maro samihafa efa notanterahina ho fampandrosoana ireo faritra iasan’ny orinasa izany.

Nanangona Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *