Sport

Hanao CAN ny Gasy: Takona ny propagandy


Tafakatra any amin’ny dingan’ny famaranan’ny tompondakan’i Afrika (CAN 2019 ) atao any Cameroun ny taona ho avy 2019. Resin’i Barea tamin’ny isa 1 no 0 indray ny Guinée Equatorial tamin’ity andro fahaefatra. Baolina tafiditr’i Njiva minitra 41 izay fahaizana manokany. Tonga amin’ny tanjona nokendrena ny ekipam-pirenena Malagasy tamin’iny omaly Talata 16 Oktobra 2018 teny amin’ny kianjan’ny CnaPs Sport Vontovorona.

Manana isa folo ny Barea izay ampy hiakarana any Cameroun na dia laharana faharoa aza no misy antsika ao amin’ny vondrona A. Nifanatsahana ny lalao saingy nanatombo isika tamin’io isa iray io. Mitarika ny Senegaly, faha telo ny misy an’i Guinée équatorial ary farany ny Soudan.  « Efa mivoatra ny baolina kitra malagasy rehefa miray hina ny rehetra dia mahazo fahombiazana », hoy ny kapiten’ny Barea, Faneva Ima. Lalao manaraka ataon’ny ekipa-pirenena malagasy,  ny Alahady 18 Oktobra 2018 atao eny amin’ny Vontovorona ihany izay hihaonany amin’ny ekipan’i Soudan ary amin’ny volana Martsa kosa ny lalao farany amin’ny fifanitsanana CAN 2019 amin’ity vondrona A misy antsika ity izay hifandonana amin’i Senegaly. « Mafy io lalao farany io saingy hanao izay mety ny mpilalao », hoy ny mpanazatran’i Barea, Nicolas Dipuis.

Nirina R.


One comment on “Hanao CAN ny Gasy: Takona ny propagandy

  1. Pingback: Hanao CAN ny Gasy: Takona ny propagandy - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *