Socio-eco

GSI : Mahavita « robot » ny mpianatra


Tsy mitsahatra mitady izay hahasoa ny mpianatra ireo oniversite malagasy. Anisan’izany ny ivon-toeram-pampianarana GSI. Efa misy ao amin’ny lalam-piofanana « informatique électronique télécom » ny fampianarana « électronique embarqué » na ny « robotique ».
Tamin’ny taona 2018 dia nanao « fifaninana tetikasa » momba ny « robot » ireo mpianatra ao amin’ny GSI izay natao tany Washington Etazonia. Amin’ny volana marsa 2019 kosa dia hisy andiana mpianatra amin’io lalam-piofanana io ho any Dubai.
« Mifandray amin’ny vinam-pandrosoana ny fampianarana momban’ny  » robotique », hoy ny filoha mpanorina ny GSI, Geremioh Randrianaivo. Azo atao tsara ny manao « robot » mibata entana mavesatra.
Mandray anjara amin’ny « salon d’étudiant » atao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina izay hifarana anio 15 febroary 2019. Maimaimpoana ny fisoratana anarana amin’ity andro anio ity raha tonga eny Mahamasina ny mpianatra manao izany.
Hiverina amin’ny isan’andro kosa izany manomboka amin’ny herinandro ho avy iny manerana ny ivon-toeram-pampianarana rehatra manerana an’Antananarivo.

Nirina R.

Horonan-tsary


One comment on “GSI : Mahavita « robot » ny mpianatra

  1. Pingback: GSI : Mahavita « robot » ny mpianatra - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *