Socio-eco

GSDM: Asa maika ny fampidirana ny « agroécologie » ao anaty fandaharam-pianarana


Efa nisy ny andrana natao ary nahitam-bokany izany. Sekolim-panjakana sy tsy miankina ao amin’ny ambaratonga voalohany (kilasy fahaenina sy fahadimy) miisa 12 no nanaovana andrana tamin’ny fampidirana ny « agroécologie » na fomba fambolena maharitra mikajy ny tontolo iainana tao anaty fandaharam-pianarana. Ao anatin’ny tetikasa PAPAM, vatsian’ny AFD vola sy ny tetikasa MANITATRA II ity fampianarana ny ankizy ny fomba fambolena maharitra any an-tsekoly ity. Efa nanomboka tamin’ny taona 2017 ny asa ka sekoly avy any Vakinankaratra no nahazo tombontsoa tamin’izany. Ho fanatsarana ny fandaharan’asa sy hamolavolana ny mety ho tohin’ny tetikasa dia nanatanteraka atrikasa, nanaovana tomban’ezaka ny teo anivon’ny GSDM ny zoma 29 novambra 2019 teto Antsirabe tampom-tanana.

Nanatrika izany ny solontenan’ny: PAPAM, ny mpamatsy vola, ny foibem-paritry ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, ny foibem-paritry ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana, ny sampandraharahan’ny OEMC ( foibe fanabeazam-bahoaka ho olom-pirenena) izay eo ambany fiahian’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ary ny jono, ny manam-pahefana ao amin’ny faritra Vakinankaratra ary ny solontenan’ ireo mpahazo tombontsoa (talen-tsekoly, mpampianatra nahazo fiofanana, mpianatra, ray aman-dreny). Anisany vokatra naharesy lahatra ny ray aman-dreny nandray anjara tamin’ny atrikasa ohatra ny voka-bary telo ka hatramin’ny dimy taonina isaky ny hektara kanefa raha ny fomba fambolena nentim-paharazana zara raha mahazo iray taonina sy sasany isaky ny hektara. Tsy nijanona tamin’ny fampiharana tany an-tsekoly ihany ireo mpianatra nahazo fiofanana fa nampita izany ary nisy tamin’ireo ray aman-dreny no resy lahatra ka nampihatra izany avy hatrany. « Tena mahomby ny fomba fambolena maharitra satria sady mamboly no miaro tontolo iainana », hoy ny solontenan’ireo mpianatra nandritra ny fijoroana vavolombelona nataon’izy ireo. Nambaran’izy ireo fa tany am-pianarana no nahafantaran’ireo teknika ampiasaina amin’ny agroécologie toy fampivadiamboly, fifampidimbiasamboly, ny voly rakotra, ny fanamboarana zezika kômpôsta sy ny ranon-jezika, ny fambolena zavamaniry mamerina ny tsiron’ny tany sy zavamaniry miady amin’ny bibikely mpanimba voly, fambolen-kazo sy hazo fihinamboa. Santionany amin’ireo vokatsoa azon’ny ray aman-drenin’izy ireo ny fihenan’ny fampiasana zezika simika izay tena manimba tsiron’ny tany, ny fihenan’ny fanasàna ny tany, ny fiverenan’ny tsiron’ny tany ary ny fiakaran’ny taham-pamokarana. Araka ny fanazavan’ny tale manatanteraka ny GSDM, Rakotoarimanana fa ankoatra ny fanomanana ny mpianatra amin’ny sehatra ny fambolena, fiarovana ny tontolo iainana dia anisany tanjon’ny atrikasa ny fanamafisana paika handresen-dahatra ny fitondram-panjakana hampiditra ny agroécologie ho taranja hampianarina an-tsekoly ary ho atao manerana sekoly eto Madagasikara. Raha tsy misy ny sampona dia efa miroso amin’ny fanatanterahana izany ny ministera mpiahy ny fanabeazam-pirenena.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *