Socio-eco

GSDM : Ankatoavin’ireo tantsaha ao Boeny fa mamerina ny tsiron’ny tany ny « agroécologie »


Mila aparitaka manerana an’i Madagasikara. Fitetezana ireo saha nampiharana ny « agroécologie » sy atrikasa niresahana ny antony mahatonga ny fahasimban’ny tany sy ny vahaolana amin’izany ary fandefasana ny horonantsary miaina mitondra ny lohateny hoe “Ny fambolena maharitra ho an’ny taranaka mifandimby” no natao nandritra ny “journées Agroécologiques” tao amin’ny faritra Boeny.GSDM - Journées Agroécologiques boeny 2022 1 Ny 26, 27 ary ny 28 aprily 2022 no nanatanterahana izany. Ny GSDM, vovonana matihanina amin’ny fambolena maharitra na “agroécologie” no nikarakara ny hetsika. Noho ny fiarahamiasany amin’ny GIZ (Coopération Allemande) amin’ny alalan’ny tetikasa ProSol (Projet de protection et de réhabilitation des sols pour améliorer la sécurité alimentaire) tontosaina ao amin’ny faritra Boeny kosa no nahafahana nanatanteraka ity andro natokana ho an’ny fambolena maharitra ity. Anjara asan’ny GSDM ao anatin’ny tetikasa ProSol ny fanamafisana ny ady sisika ho fampidirana ny « agroécologie » ao anaty politikam-panjakana sy ny fampandrosoana amin’ny alalan’ny sahan’asa isan-karazany. Ao anatin’izany ny fampidirana ity fomba fambolena maharitra ity ao anatin’ny fandaharam-pianarana. Sekoly miisa 12 no ampianarina ny teknikam-pambolena maharitra ao amin’ny faritra Boeny. Nojerena nandritra ny roa andro voalohany tamin’ny “journées Agroécologiques” ireo saha sekoly  nanaovan’ny mpianatra fampiharana. Anisany notsidihana tamin’izany ny saha sekoly tao amin’ny  CEG Ankazomborona, CEG Ampitolova. Nitsidika ny sahan’ireo vondron’ny tantsaha nampihatra ireo karazana teknika fampiasa amin’ny “agroécologie” toy ny fampiasana  ny “lombricompost” na zezika avy amin’ny kankana, komposta ranony ihany koa ireo vahiny nasaina. Anisany notsidihana tamin’izany ny saha tao Ambovomandresy, Ampitolova, Ankazomenavony. Ankoatran’ny ekipan’ny GSDM sy ny tomponandraikitry ny tetikasa Prosol sy ny GIZ dia nanatrika ny hetsika ireo mpisehatra amin’ny fambolena isan-tsokajiny, ny solontenan’ny ministeran’ny fambolena, ireo manam-pahefahana eny ifotony, ny solontenan’ny sekoly misitraka ny tetikasa,  ny tantsaha mampihatra ny “agorécologie” sy ny maro hafa tsy voatanisa.

Hanenika an’i Madagasikara

Nambaran’ny tale mpanatanterakin’ny GSDM, Rakotondramanana fa efa simba ny tany ao amin’ny faritra Boeny noho ny doro tanety. “Resy lahatra ny tantsaha ary ankatoavin’ny olona fa hamerina ny tsiron’ny tany ny agroécologie”, hoy izy nanazava ny akon’ny “journées Agroécologiques” tao Boeny. Araka ny fanazavany hatrany fa nanomboka tamin’ny taona 2014 no nanaparitaka ny fomba fambolena maharitra ny GSDM tamin’ny alalan’ny tetikasa PAPAM sy Manitatra notanterahina tao Vakinankaratra. Sekoly miankina amin’ny fanjakana sy tsy miankina miisa 12 tao Vakinankaratra no efa nampidirana ny “agoréoclogie” tao anaty fandaharam-pianarana. “Efa miezaka mampiditra ao amin’ny fandaharam-pianarana ny Ministeran’ny anabeazam-pirenena. Ny tanjona dia hanenika an’i Madagasikara fa tsy hijanona amin’ny faritra hiasan’ny tetikasa ihany”, hoy hatrany Rakotondramanana.  Ny fitoviam-pijery eo amin’ny samy mpisehatra amin’ny fambolena no lalana ahafahana tonga amin’izany.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *