Socio-eco

GROUPE SIPROMAD: « Ampy hampandehanana ny firenena ny fizahantany »


Ny seham-pihariana fizahantany fotsiny dia azo hampandrosoana an’i Madagasikara. Mba ahafahana manantanteraka izany, manodidina an’io resaka io ny lohahevitra nodinihina nandritra ny famelabelarana niarahan’ireo mpiantsehatra amin’ny lafiny ny fizahantany eto Madagasikara androany 20 jona 2018. Mpanohana ity laobary an-dasy ity ny vondrona Sipromad. Noho izany nandray anjara tamin’ny famelabelarana ny tale kabinetran’ny Sipromad, Tiana Rasamimanana.
Anisany mpiantsehatra amin’ny fizahantany ny Sipromad noho ny fananany « agence de voyage Silver Wings » sy ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka tsy miankina “GS Aviation”. Manana « jets privés » roa ity kaompania ity. Niresaka momba ny fanamby hampiroboroboana ny toerana azo tsidihina sy ny fampiasam-bola amin’ny sehatry ny fizahantany i Tiana Rasamimanana. Nambarany fa olana ara-poto-drafitr’asa sy tsy fandriam-pahalemana no sakana tsy ahafahana mampandroso an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fizahantany. Na dia fizahantany irery aza no atao dia ampy hampandehanana ny firenena aloha tahaka ireo firenena Maorisy, Thailande…Vahaolana narosony ny famporisihina ireo mpandraharaha hanamboatra foto-drafitr’asa handraisana ireo vahiny, hanampy ny fanjakana hanamboatra lalana sy hamokatra herinaratra tsara kalitao…Mitaky fampihenana ny hetra aloa amin’ny fanafarana entana kosa ny tale kabinetran’ny Sipromad mba hanamorana ny asan’ny mpandraharaha.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *