Socio-eco

FORUM WAVE MADAGASCAR: Mpampiasa vola avy any ivelany miisa 100 tonga eto amintsika


Sahan’asa iray hampiakarana ny isan’ny mpizahantany mandalo eto Madagasikara ho 500.000 ny “Wave Madagascar”. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany 17 septambra 2019 teny amin’ny CCI Ivato ny andiany voalohany  amin’ity fihaonambe iraisam-pirenena momba ny fampiasam-bola amin’ny sehatry ny fizahantany ity. Araka ny fanazavan’ny ministry ny fitaterana, ny famantarana ny toetr’andro sy  ny fizahantany, Randriamandranto Joel fa efa-bolana teo no nanomanana azy ity ka natao tamin’izany ny famaritana ireo sahan’asa afaka atao eto Madagasikara momba ny fizahantany izay  niarahana tamin’ireo mpandraharaha malagasy sy tompon-tany malagasy  ka vonona hitady mpiara-miombona antoko hampiroborobo ny orinasany na vonona hitady mpiara-miasa hanao foto-drafitr’asa eo amin’ny taniny. Tao anatin’ny fikarakarana ihany koa no nikarohana ireo mpampiasa vola  te hampiasa ny volany eto Madagasikara sy nitadiavana ireo banky na mpamatsy vola hanampy amin’ny fanamboarana foto-drafitr’asa.

Hatramin’ny 20 septambra 2019 ho avy izao dia hihaona, hifampidinika, hifampiraharaha ireo mpampiasa vola, tompona tetikasa ary mpamatsy vola. Raha ny tarehimarika voaray, ankoatran’ ireo mpandraharaha avy eto an-toerana  dia mpampiasa vola sy mpandraharaha miisa 100 avy any amin’ny firenena hafa toy an’i Egypte, Dubai, ny vondrona Hilton sy ny maro hafa no  mandray anjara amin’ny  “Wave Madagascar”. Ho ampahafantarina mandritra ny “forum” ireo sehatr’asa azo ampiasaina vola eo amin’ny tontolon’ny fizahantany eto amintsika. Tsy hijanona amin’ny fanamboarana hotely ihany izany fa ezahina ihany koa ny fitadiavana mpiara-miasa amin’ny  fanamboarana foto-drafitr’asa toy ny seranan-tsambo, seranam-piaramanidina ezahina mitady mpiara-miasa mba hanavaozana na hampandrosoana ireo foto-drafitr’asa efa hanana, hoy hatrany ny ministra. Andrasana noho izany ny vokatra azo avy amin’ity hetsika goavana karakarain’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny fitaterana, ny famantarana ny toetr’andro sy ny fizahantany ity.

Lynda A.


One comment on “FORUM WAVE MADAGASCAR: Mpampiasa vola avy any ivelany miisa 100 tonga eto amintsika

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *