Socio-eco

FONDATION AXIAN: Voavadika horonam-peo ny boky “diary nofy”


Ho fisitrahana ny zo mamaky boky. Tantara foronina natao ho ankizy miisa dimy amin’ny teny gasy sy frantsay no ao anatin’ny boky “diary nofy”. Navadika ho horonam-peo izany mba ahafahan’ireo ankizy sy olon-dehibe manana olana ara-pahitana sy tsy mahay mamaky teny manaraka izany.  Nanampy ara-bola sy ara-teknika  tamin’ny fanatontosana ity audiobook” ity ny Fondation Axian. “Avy amin’ny fifaninanana fanoratana tantara foronina tamin’ny septambra 2019 no nahazoana ireo tantara miisa dimy voarakitra ao amin’ny boky diary nofy. 400 ny tantara nandray anjara tamin’ny fifaninanana”, hoy ny filohan’ny fikambanana teach For Madagascar (TFM), Ramaherison Valérie. Manana vina hizara boky maimaim-poana 25.000 isa amin’ireo sekolim-panjakana ambaratonga fototra manerana ny Nosy ny fikambanana. “Hisy ny fivarotana boky maromaro ho an’ny daholobe ka ny vola azo avy amin’ izany dia entina hanohanana ny hetsika fizarana boky maimaim-poana:  ny vidin’ny boky iray dia hanatontana boky dimy”, hoy izy.

Araka ny fanazavan’ny tale mpanatanteraky ny Fondation Axian fa ao anatin’ny zana-pandaharanasan’ny fondation momba fanabeazana ny fahafahana misitraka ny zo mamaky boky indrindra amin’ireo toerana lavitr’andriana. “Io audiobook io amin’ny teny gasy sy frantsay dia hanampy ny ankizy hisitraka ny zony hamaky boky”, hoy izy. Nohamafisin’ny mpandrindra ny fandaharan’asa fahasalamana sy fanabeazana ao amin’ny fondation Axian ihany koa fa tantara malagasy ary mampivoitra ny soatoavina ,toy ny fanajana ny hafa, fanajana ny natiora, fihavanana, fanajana ny ray aman-dreny ireo tantara miisa dimy. Nambarany fa ho ampiarahana amin’ny boky “diary nofy”  ny toro-lalana momba fampiasana azy: Ahoana ny fomba ampiasan’ny ankizy azy? Ahoana ny atao mba hankafy ny hamaky  azy?

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *