Socio-eco

FITORIANA MPANDRAHARAHA AO FIANARANTSOA: “Manao harcèlement de procédure ny mpitory”


Nanazava ny raharaha momba ilay mpandraharaha avy ao Fianarantsoa voatonona tamin’ny haino vaky jery ny mpisolovava miaro azy, Maître Herinavalona ny 15 oktobra 2020. “Ny olona arovako dia maka entana amina olona iray aty Antananarivo. Io fournisseur io nanana distributeur  tany Fianarantsoa  ka tao io mpandraharaha io no naka entam-barotra. Nilaza anefa io fournisseur io taty aoriana fa taloha izy no niara-niasa tamin’io distributeur  io fa tsy ao intsony  amin’izao. Izahay tsy nampahafantarina izany fa isaky ny maka entana dia mandoa vola”, hoy i Maître Herinavalona.

Notorian’io fournisseur io  teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Fianarantsoa  io mpandraharaha  io satria hoe hananany trosa. “Manana porofo izahay fa tsy hananany zareo vola intsony, tsy mitombona ilay trosa”, hoy i Maître Herinavalona.  Resaka ady heloka no nitoriana ilay mpandraharaha. “Rehefa  nivoaka ny didy dia nanatsahatra ny fanenjehana ny olona arovako. Teo anelanelan’izay tsy afa-po tamin’ny didy ny mpitory ka nanao fampakarana. Zavatra mahagaga dia ny vola notadiaviny tamin’io, 1 milliard 260 millions Ariary ihany no nentiny nakàna ordonnance de saisi arrêt sy  saisi consevatoire teto anivon’ny fitsarana Antananarivo. Eo no mahagaga anay, rehefa mitondra ny raharaha eny amin’ny ady heloka dia tsy tokony hitondra ny raharaha any amin’ny ady madio. Manao harcèlement de procédure izany. Raharaha anankiray, vola anankiray no takiana ka rehefa tsy afa-po amin’ny didy any Fianarantsoa dia mankaty Antananarivo dia ho aiza indray rehefa avy eo? Any amin’ny faritra izay misy fitsarana ve fa tsy misy paikady mazava efa voafaritry ny fehezan-dalàna ?”.

Araka ny fanazavan’ny mpisolovava mpiaro ilay mpandraharaha mpivarotra enta-madinika hatrany fa nitondra ny raharaha teo anivon’ny  Pôle Anti-Corruption (PAC) Antananarivo ihany koa ilay fournisseur teo anelanelan’izay ary mbola miandry ny fanapahan-kevitry ny PAC. Mbola andrasana ihany koa ny valiny fampakarana natao tao Fianarantsoa. Nambarany fa mikorontana ny fitadiavan’ilay olona satria tadiavina ho giazana ny entana amidiny.

Lynda A/ Nirina R.


One comment on “FITORIANA MPANDRAHARAHA AO FIANARANTSOA: “Manao harcèlement de procédure ny mpitory”

  1. Pingback: FITORIANA MPANDRAHARAHA AO FIANARANTSOA: “Manao harcèlement de procédure ny mpitory” - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *