politique

FIANDRASANA NY VOKA-PIFIDIANANA: Miantso ny vahoaka ho tony ny HCDDED


Eo am-piandrasana ny valim-pifidianana filoham-pirenena, nanao fanambarana ny filan-kevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna (HCDDED). Voalohany, miarahaba ny vahoaka Malagasy nahavita ny adidy masina ho an’ny Firenena ity filan-kevitra ity. Manamarika ihany koa ny HCDDED  amin’ny tsy fahatomombanana nisy teo amin’ny fikarakarana  ny fifidianana amin’ny ankapobeny. Na dia misy aza izany lesoka izany, nilaza  ny filan-kevitra fa nizotra araka ny tokony ho izy ny fifidianana tamin’ny 7 novambra 2018.

Miantso ny vahoaka mba ho tony eo am-piandrasana ny vokatra ôfisialy ihany koa ny HCDDED ary manameloka ny fambolena korontana sy fanjanahan-tsaina atao amin’ny vahoaka mba hiatrika korontana, manameloka ny fitarihana olona hanohitra sahady ny valim-pifidianana amin’ny fampielezana ampaham-bokatra izay notsongatsongaina, manameloka ireo mandika lalàna, mampiely tsaho sy ireo mampitombo olana mba hiteraka savorovoro. Misoroka ny korontana ny fiandrasana ny voka-pifidianana vonjimaika havoakany ny CENI sy ny valim-pifidianana ofisialy havoakan’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana (HCC).

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *