Socio-eco

FAPBM: Mitentina 7.780.411.731 Ariary ny famatsiam-bola ho an’ireo faritra arovana 35


Famatsiam-bola maharitra. Manokana vola hanampiana ireo faritra arovana eto amintsika ny FAPBM (Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar) isan-taona. Ho an’ny taona 2020 dia tafakatra 7.780.411.731 Ariary izany ka faritra arovana miisa 35 no hahazo tombontsoa. Tontosa  ny 13 desambra 2019 teny Antaninarenina ny fifanaovan-tsonia eo amin’ity fondation ity sy ireo mpitantana ny faritra arovana. Araka ny fanazavan’ny tale mpanatanteraky FAPBM, Raharijaona Liva fa ahafahan’ny mpitantana ny faritra arovana miasa, handoavana ny karaman’izy ireo, hividianana fitaovana ilaina amin’ny fiarovana ny faritra sy maro hafa io famatsiam-bola io. Fanampin’izay dia nilaza ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny FAPBM, Rajoelina Sahondra fa betsaka ny vokatra tao anatin’izay 14 taona nanampian’ny fondation ireo faritra arovana eto amintsika. « Raha jerena ny doro tanety, amina hektara maro no may fa rehefa ao anaty faritra arovana dia voaaro sy voafehin’ny mpitantana ny faritra arovana sy ny mponina eny ifotony », hoy izy. Nambaran’i tale mpanatanteraka ihany koa fa raha tsy nisy ny faritra arovana efa tsy nisy intsony ny gidro, tanalà, sokatra, zavamaniry, indrindra ireo tsy hita afa-tsy eto an-toerana. Famatsiam-bola maharitra ity fanampiana ataon’ny fondation ity. Ny zana-bola avy amin’ny renivola apetraka no entin’ny fondation hanampiana ireo faritra arovana raha ny fanazavan’Andriamatoa Raharijaona Liva sy Ramatoa Rajoelina Sahondra hatrany . Anisan’ny mpiara-miasa amin’ny fondation izay manao petrabola ny governemanta frantsay sy alemana ary ny banky iraisampirenena. Amin’izao fotoana izao dia tafakatra 75 tapitrisa dolara io renivola io.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *