Socio-eco

FANABEAZANA NOMERIKA: Sekolim-panjakana valo hisitraka ny tetikasa


Sekoly fanabeazana ambaratonga faharoa  dimy eto amin’ny faritra Analamanga sy ny CEG any faritra DIANA roa hisitraka ny fanabeazana amin’ny alalan’ny fampiasana ny nomerika. Ireto avy ireo CEG hahazo tombontsoa amin’ity tetikasa iarahan’ny “Orange Solidarité” sy ny Ministeran’ny paositra, ny fifandraisan-davitra sy ny fampivoarana ny haitao ara-kajy Mirindra ary ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena (MEN): Antanimena, Ankadinandriana, Itaosy, Faliarivo, Analamahitsy, Anivorano Est, Hell Ville ary Dzamanjara. “Tahaka ny tetikasa teo aloha, hahazo  fampitaovana avy ny sekoly tsirairay toy ny “tablettes” 50,  « écran » 01,  « vidéo projecteur » 01, « serveurs Raspberry » 02 izay efa tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana an’ny MEN. Handray an-tanana amin’ny  fampianarana  ireo fitaovana ireo an’ny mpampianatra sy ny mpianatra  ny mpiasan’ny “Orange Madagascar”.  Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny orinasa, Michel DEGLAND nandritra ny fanokafana ny fandaharan’asa ho an’ny taom-pianarana 2017-2018, teny amin’ny CEG Antanimena fa tanjon’ny tetikasa tahaka itony ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy fampitoviana ny fahaizan’ny mpianatra amin’ny lafiny nomerika. Mpianatra 42.200 hahazo tombontsoa amin’izany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *