Socio-eco

FAMPANDROSOANA ARA-TOEKARENA : Nahazo fanasana avy amin’ny CEOI ireo ben’ny tanàna miisa efatra


Niavaka ny fihaonana. Isam-bolana, mikarakara fihaonana ara-toekarena ny « Carrefour des entrepreneurs de l’Océan indien » na CEOI. Niompana tamin’ny « fanampiana ara-toekarena entin’ny  mpamatsy vola » ny lohahevitra noresahana nandritra ny « diner Rencontres », ny 05 martsa 2020 teny Anosy. Nambaran’ny  filohan’ny CEOI, Xavier Desplanques fa « mihodina eto Antananarivo ny antsasany amin’ny toekarena ary ny ambiny any amin’ny faritra. Izany indrindra no nanasàna ireo ben’ny tanàna avy amin’ny tanàn- dehibe miisa efatra ».  Ho fanampin’izany, « voalohany teto Madagasikara no nisy an’izao fivoriana izao satria nivory niaraka tamin’ireo mpandraharaha sy mpamatsy vola ireo ben’ny tanana mba ho an’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara », hoy izy. Tonga nanatrika ny  « diner Rencontres » i Eddie Fernand  ben’ny tanàn’i Antalaha, Djavojozara Désiré an’i Diégo-Suarez, Andriatomanga Mokhtar Salim  an’i Mahajanga  ary Rakotonirina Nantenaina, ben’ny tanàna ao Toamasina. Nambarany fa nasaina ihany koa ny ben’ny tanàn’Antananarivo renivohitra saingy tsy afaka izy noho fihaonana izay tsy maintsy ho alehany.

Araka ny fanazavan’ny filohan’ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM), Hassim Amiraly fa  fihainoana ny hetahetan’ny mpandray anjara no tanjon’ny fivoriana tahaka izao. Eo ihany koa ny fifanomezan-tanana  sy fifampizarana vaovao ary fanamafisana ny fiarahamiasa eo amin’ny mpandraharaha, mpamatsy vola ary ireo olom-boafidy.

Marihana fa fikambanan’ireo « cadres » sy lehiben’ny orinasa miasa ho an’ny fampandrosoana ny ranomasimbe indiana ny Carrefour des Entrepreneurs de l’Océan Indien. Tao anatin’ny 20 taona dia ny fampifandraisana ireo mpandraharaha ara-toekarena manerana an’i Madagasikara, Maurice, La Réunion, Mayotte, Union des Comores ary  Seychelles no tena nataony.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *