Socio-eco

« DRAFITRA PAPANGO »: Mila dinihana manokana ireo zandary


Fomba fanaon’ny zandarimariam-pirenena ny manao tatitra ny asa vita. Nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety  ry zareo omaly 21 febroary momba ny ampahan’ny asa vita tao anatin’ny fotoana fohy manerana ny faritra enina sy ny faritra 22. Nisongadina tamin’izany ny fanadiovana ny tao anatin’ny zandarimaria. Araka ny tatitra nataon’ny komandin’ny zandarimariam-pirenena, Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa, fa maromaro ny zandary niditra am-ponja noho ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fitsipi-pifehezana ary firaisana tetika tamin’ny mpanao ratsy. Nohamafisiny fa tsy handefitra amin’ireo mbola mitsivalam-pandry ny zandarimariam-pirenena. Manaiky fa misy ny mitsivalam-pandry ary efa nadray fepetra izahay manoloana izany saingy mampatsiahy kosa fa manao ny hainay tsy ho zavatra izahay amin’ny fanatanterahana ny asanay  ary misy ny vokatra, hoy hatrany ny Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa.

Fakana an-keriny

Vokatry ny asa natao tany ambanivohitra dia votsotra ilay rangahy 80 taona nisy naka an-keriny. Iray volana lasa izay teto an-drenivohitra dia olona iray teo ampanomanana kidnapping no tra-tehaka ary maty voatifitry ny mpitandro filaminana. Vao tsy ela akory fa ny Alarobia lasa teo dia olona telo  eritreretina ho voarohirohy amin’ny raharaha fakana an-keriny no voasambotra.  Nahatratrarana bala miisa 300, grenady, basy tany amin’izy ireo. Raha ny fantatra dia “sergent chef” ny iray tamin’izy ireo ary tany aminy ireo bala. Ho fanidiana an’Antananarivo raha misy tranga asan-jiolahy dia nandray fepetra manokana ny zandarimariam-pirenena. Ao anatin’ny “drafitra papango” dia hiasa eny amin’ny “rond point”, 24 ora amin’ny 24 ireo zandary. Nambaran’i Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa fa manao ny asany amin’ny andavanandro ireo zandary ireo fa tsy mandray tambin-karama velively ka tokony ho jerena akaiky ny momba azy ireo.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *