Socio-eco

DAVIDA MAITSO KELY: Tafiala tao an-davaky ny liona


Nanazava ny antony nialàny tao amin’ny antoko politika HVM ny ministry fanabeazam-pirenena teo aloha, Paul Rabary. “Efa feno ny fepetra ka tsy mitovy hevitra intsony”, hoy i Paul Rabary nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ny 25 jolay 2018. Nambarany fa nasaina nandoa latsakemboka ireo ministra HVM rehefa misy hetsika karakaraina. “Tsy nanaiky handoa izany aho”. Nahazo latsa ihany koa izy fa tsy afaka nameno ny kianjan’ny Coliseum Antsonjombe ireo mpampianatra FRAM nampidirina mpiasam-panjakana miisa 40.000. Santionany amin’ireo antony nampiala azy tsy ho mpikambana ao amin’ny HVM ireo. Noterena natao fitaovana politika ny ministera notantanako ary rehefa tsy nanaiky izany aho dia natao izay rehetra fomba nanalàna ahy”.

Iray volana monja

Fanontaniana nataon’ny mpanao gazety azy ny hoe : “fa naninona no niharitra tao raha tsy nitovy hevitra tamin’ny fomba nitantanana ny antoko politika?”. Namaly izy fa namita ny iraka ho an’ny fanabeazana dia ny fampidirana ny mpampianatra FRAM ho mpiasam-panjakana sy ny famolavolàna ny rafi-panabeazana vaovao (PSE) izay efa nahazoana famatsiam-bola. Ankoatra izany, miantso ny mpampianatra izay mitokona amin’izao fotoana izao i Paul Rabary mba hiverina hampianatra. “Tsy voavalin’ny fitondram-panjakana iray manontolo ny ny fangatahan’ireo mpampianatra ka aleo ny tombontsoan’ny zaza Malagasy aloha no katsahina”. Nanome toky kosa anefa izy fa any amin’ny “lakilé”. Ho voavaha ao anatin’ny iray volana io olan’ny mpampianatra io. Mbola mena ambany ny mena izy tamin’ny nitantanana ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *