Sport

COUPE DE CONFEDERATION 2019/20 : Nanaiky ny fahareseny ny RS Berkane


« Kely fa teknisiana ny ekipan’i Fosa Juniors ». Izay no teny nolazain’ny mpanazatran’ny Rennaissance Sportive de Berkane avy any Maroka, Mounir Jaouani. Resin’ny Fosa Juniors avy eto Madagasikara tamin’ny isa 2 no 0 ny RS Berkane teny amin’ny kianjan’ny Cnaps Stadium, vontovorona androany  alahady 27 Oktobra 2019. COUPE DE CONFEDERATION - fosa juniors - Rs Berkane 2Baolina voalohany tafiditr’i Jean Yves Razafindrakoto tamin’ny minitra faha 10. Nanao izay ho afany ihany ireto ekipa avy any Maroka ireto fa azon’ny mpiandry tsato-bin’ny Fosa Juniors hatrany. Nisongadina i Fabrice Andriantsilavina, mpiandry tsato-bin’i Fosa Juniors satria baolina enina no navotany tamin’ity lalao ity ary anisan’izany ny penalty nodakan’i Zaid Krouch teo amin’ny 65 minitra tamin’ny fidirana faha roa. Na izany aza dia nanjakan’ny ekipa avy eto Madagasikara ny fidirana voalohany. Nampiseho endri-dalao mahafinaritra ny Fosa tamin’ity lalao mandroso amin’ny « coupe de confederation » ity. Niezaka ny hanasahala ny lalao ny RS Berkane fa tsy nahatafiditra baolina mihitsy. Isika malagasy indray no nanampy ny isa satria nandray tanana tao anatin’ny faritry ny mpiandry tsato-by ny vodilaharany RS Berkane ka nahazo penalty ny Fosa Juniors tany amin’ny 90 minitra. Tafiditr’i Baggio Rakotoarisoa izany penalty izany.

Tsara ho an’ny ekipan’i Fosa io isa roa io hiatrehana ny famerenana any Maroka amin’ny alahady 03 Novambra 2019. Tanjona ny hidirana any amin’ny isam-bondrona hoy ny kapiten’ny Fosa, Baggio. Raha tafavoaka amin’ity ny Fosa Juniors dia tafiditra ao amin’ny isam-bondrona amin’izay.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *