Sport

COSAFA CUP 2018 :Tafakatra any amin’ny manasa-dalana ny Barea


Niatrika ny lalao ampahefa-dalana i Madagasikara androany 03 Jona 2013 tany amin’ny kianja « Pietersburg Stadium » ka nihaona tamin’ny Afrikana tatsimo. Resin’ny Barea teo amin’ny « tir au but », 4 noho 3 ny Bafana Bafana . Noho izany, tafakatra amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana ny ekipa-pirenena Malagasy. Nisaraka 0 sy 0 ny roa tonta teo amin’ny fotoana ara-dalana ka niroso amin’ny fanalava-potoana. Mbola sahala ihany ny isa ka noho izany, natao ny fandakana « tir au but » izay nitondra an’ny Barea any amin’ny dingana manaraka. Ry zareo Zambiana kosa no hiaona amin’i Barea amin’ny manasa-dalana ny Alarobia 06 Jona 2018 amin’ny 5 ora hariva ho avy izao.

Marihana fa nanana isa 7 ny Barea tao amin’ny vondrona A nisy azy. Nadresy an’i Mozambika tamin’ny isa 2 no 1, nanao ady sahala 1 no 1 tamin’i Seychelles ary nandresy tamin’ny isa 1 no 0 an’i Comores.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *