Socio-eco

BAOBAB ETO MADAGASIKARA : Ho lasa tantara sisa…


Tandidomin-doza. Raha valo ny karazana baobab manerana an’izao tontolo izao dia ny fito amin’ireo eto Madagasikara, ny enina amin’ ireo dia tsy hita afa-tsy eto amintsika ary ny telo hita ao amin’ny faritra Menabe. Nambaran’ny filoha mpanorina ny  « groupe des spécialistes et passionnés des baobabs de Madagascar » na GSPBM, Ravaomanalina Harisoa fa simba tanteraka  ny tontolo iainana misy ireo baobab, indrindra fa ny faritra Menabe, ampiasaina daholo ny voany na ny hodiny. Aman-taonina ny voana baobab ahondrana  any ivelany ka anisany hangalana izany ny baobab « grandidieri » ao amin’ny allée des baobabs Menabe. Raha ny fanazavany dia ny laboratoara frantsay no tena mandray azy ity hanaovana « produits cosmétiques ». Noho ireo tsindry ireo no nanosika ny GSPBM  sy ny Madagasikara Voakajy nikarakara ny kongresy iraisampirenena ho an’ny baobab. Ny 11 ka hatramin’ny 13 desambra 2019 any Morondava, faritra Menabe no hanatantrahina izany. Amin’ny maha orinasa, mandray andraikitra feno  azy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana dia manohana ny kongresy ny Telma.
Raha ny fantatra dia mpikaroka fanta-daza iraisampirenena, mijery manokana ny taonan’ny baobab manerana an’izao tontolo indrindra ny eto Madagasikara hanatrika ity kongresy ity ary hanao famelabelaran-kevitra momba ny baobab. Mitana anjara toerana lehibe amin’ny sehatry ny fihazantany sy ara-toekarena ny baobab ka mandritra ny telo andro dia hifampidinika ireo mpisehatra toy ny mpandraharaha ara-toekarena avy amin’ny orinasa mpanondrana na mpanodina ny voana baobab, ireo mpandraharaha  amin’ny sehatry ny fizahantany. Hivoitra ao anatin’ny kongresy ihany koa ny fametrahana paikadim-piarovana, ahafahana mitrandraka azy ho lovainjafy, hiarovana ny tontolo manodidina azy satria  misy ireo zava-maniry miaraka aminy  sy biby kely miantoka ny fahamaroan’ny taranany. Nambaran-dRamatoa Ravaomanalina Harisoa fa horesahana amin’ny andro fahatelo ny zava-maniry mifanaraka amin’ny baobab ao Menabe ary ho averina ho volena izany. Efa misy ny tanin-janankazo izay efa ela no nikarakarana azy.
Ho lasa tantara sisa ny baobab eto amintsika raha tsy misy ny fandraisana andraikitra dieny izao. Raha ny fikarohana dia efa arivo ny taona ny ankamaroan’izy ireo ka na rivo-doza  aza dia mety handringana azy.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *